Politique

Lalatiana sy Fidčle Manitsoka an’i Andry Rajoelina


  • Talata 22 Mey 2012

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo tao amin’ny onjam-peon’ny Free FM omaly, dia tsy maintsy miafina aloha i Fidčle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy satria tsy maintsy mitandrina ihany mba tsy hahafaty momoka ny tolona.

 Nanome toky kosa anefa izy ireo fa mitohy ny tolona, ary misy foana ny olona hitarika izany. Araka ny filazan’izy ireo ihany koa dia efa misimisy ihany ireo fikambanana sy vondron’olona manohana ny antson’izy ireo, ary nanitrikitrika mihitsy aza izy ireo misy ny miaramila ao anatin’izany “Coordination Nationale des Officiers” izany, tsy mitsahatra ny mivory nanomboka ny alahady lasa teo, ary nanao fanambarana omaly. Fa anisan’ny nokianin’izy ireo mafy ihany koa omaly ny fanambaran’ny Jeneraly Richard Ravalomanana fa hoe : ireo izay mitarika ny hetsika no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanakorontanana sy ny zavatra simba, koa noho izany dia tsy maintsy karohana sy samborina mba hanadihadiana izy ireo.

Raha izay tokoa no izy, hoy ireto mpanao gazetin’ny Free FM ireto dia tokony ho samborina sy atao fanadihadiana koa izany i Andry Rajoelina, satria izy no nitarika ny olona nidina an-dalambe sy nitety tanàna teto Antananarivo tamin’ny 26 janoary 2009 sy 7 febroary 2009, izay nitrangan’ny fandrobana sy fandorana harem-pirenena sy fanan’olon-tsotra, fanapotehana orinasa maro, ary fiakarana teny amin’ny lapam-panjakana ka nahafatesana olom-pirenena. Tsy tokony hisy ny fitanilana amin’ny fampiharana ny lalàna hoy i Fidèle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy, fa rehefa ampiharina dia ampiharina amin’ny olon-drehetra izany. Raha ilay fanambaran’ny Jeneraly Richard Ravalomanana ihany no raisina dia tsy misy antony tokony nitsarana sy nanamelohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy izy ireo satria i Andry Rajoelina izany no tompon’andraikitra voalohany tamin’ireny savorovoro sy fanimban-javatra ary faty olona tamin’ny 2009 ireny, satria izy no nitarika ny fihetsiketsehana sy nanentana ny olona mba hidina an-dalambe.

Hatreto aloha dia milaza ny tsy hihemotra amin’ny fitakiany i Fidèle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy na dia rahonana sy ampitahorina aza izy ireo. Karazana fanamby no apetrakay amin’ny filohan’ny tetezamita, hoy izy ireo, fa avelao hisokatra ny Kianjan’ny demokrasia, ary mba afaka maneho hevitra an-kalalahana ao izahay fa dia ho feno hipoka io. Efa tena maro be ny olona leon’ny tsindry hazolena sy faneriterena ary diso fanantenana amin’i Andry Rajoelina. Nilaza ihany koa izy ireo omaly ihany, fa fahendrena ho an’ny filohan’ny tetezamita ny mametra-pialana, satria efa tena nivadika amin’ny tolona tamin’ny 2009 izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT