Taorian’ny fanambaran’ireo antoko 5 efa nanatitra ny antotan-taratasiny avy teny amin’ny ministeran’ny atitany amin’ny maha-antoko mpanohitra ara-dalàna azy ireo ka nanaovany fanambarana ny fitsanganan’ny birao mandrafitra izay fanoherana ny fanjakana izany, dia nampiantso mpanao gazety teny amin’ny Radama hotel Antaninarenina teny indray omaly ireo antoko 7 sy fikambanana maromaro (niisa 22) tarihan-dRtoa Lalatiana Ravololomanana fa tsy ny antokon’olona vitsivitsy no afaka hitonona samirery ho mpanohitra fa mila fihaonam-be ihaonan’izay milaza azy ho mpanohitra rehetra ny fanendrena ireo mpitantana azy. Heverina ho tanterahina ny 20 sy 21 jona izao izany fihaonamben’ny mpanohitra izany, hoy izy, dia eo no hifidianana izay ho filoha hitarika azy fa “tsy ekenay ny maha-filoha an’Atoa Tianasoa Freddy”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.