Politique

Lalatiana Ravololomanana Ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ihany no vahaolana


  • Zoma 20 Jolay 2012

Tokana ihany sisa no vahaolana hitan’ny vondron’ny mpanohitra misy an’i Lalatiana Ravololomanana fa hahafahana mamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy, dia ny fifampiresahan’ny samy Malagasy hiampitana mankany amin’ny fihaonambem-pirenena.

 Efa maro loatra, hoy izy ireo ny fitaomana olona mba hidina an-dalambe nataon’ireo antoko mpanohitra maro samihafa teto an-drenivohitra saingy nitsefotra avokoa izany rehetra izany. Antso avo no ataon’ny vondron’ny mpanohitra amin’ireo mpanohitra rehetra mba hamondrona ny heriny ho iray. Anisan’izany Raharimalala Louisette filohan’ny antoko Mavana CIDEM izay nanome fe-potoana herinandro ny fitondram-panjakana mba hamahana ny olana. Na izany aza anefa dia mbola hitohy ny ezaka hataon’i Lalatiana Ravololomanana sy ireo mpiara-dia aminy mba hampihaonana ny antoko mpanohitra rehetra toy ny nataony tamin’ny 19 mey 2012 teo. Mikasika ny tondrozotra moa dia nambaran’izy ireo fa tsy mahavaha olana intsony satria efa voaviravira. Tsy voahaja sy voajery avokoa ny andininy rehetra, hoy ihany i Lalatiana Ravololomanana ankoatra ny andininy faha-20 izay fikirin’ny firehana Ravalomanana sy ny andininy faha-45 izay fikirin’ny firehana Rajoelina.

Ny Maputo no tsara indrindra ary tokony hotanterahina, hoy ihany ity vondron’ny mpanohitra ity saingy tsy tanteraka izany. Ankoatra izay moa dia nanambara ihany koa i Lalatiana Ravololomanana fa tsy vahaolana intsony ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Rajoelina. Mikasika ny olan’ireo mpampianatra sy mpitsabo indray dia nanantitrantitra ny tenany fa ny filohan’ny FAT mihitsy no tsy mahalala ny asa tokony hataony ao anatin’ny fitondrana tetezamita. Tsy ny fijerena izay maharary ny olona mantsy no ataon’ity farany fa ny fanaovana izay tiany hatao sy mahafinaritra azy.

 
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT