Hijoro hatrany hanohitra ny tsy rariny eto amin’ny firenena i Lalatiana Ravololomanana. Nampiaka-peo izy omaly raha naneho ny heviny mikasika ireo olona rava trano etsy Ankadimbahoaka.
Nambarany fa ireo tsy manan-kialofana aza efa tsy fidiny ka ireo mba manana indray ve no hampahoriana tahaka izao ? Lazaina ombieny ombieny, hoy izy fa tany tan-dalàna i Madagasikara nefa mbola tena anjakan’ny endrika jadona. Ny nidirana tamin’ny fifidianana nahazoana izao Repoblika fahefatra izao, hoy ihany izy mba nantenaina hitondra ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa kinanjo vao mainka miaina anaty tebiteby isan’andro ny mponina. Zo fototra tokony hananan’ny tsirairay anefa, hoy ihany izy ny fananana trano saingy hongotana amin’izy ireo indray. Nizara ny alahelony tamin’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana tetsy amin’ny Tranom-pokonolona Analakely ity filohan’ny Manda ho an’ny Firaisam-pirenena ity omaly. Nisy ny fanentanana natao ny vehivavy tamin’izany mba sahy hijoro handray ny andraikiny, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny reny izao. Lohahevitra nampitondrainy ny hetsika moa ny hoe : “Vehivavy miray hina, mandray andraikitra hanandratra avo ny tanindrazana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.