Nanizingizina omaly ny mpanolotsaina monisipaly Lalatiana Ravololomanana fa tsy manara-dalŕna sy tsy mangarahara ny fitantanam-bola ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Notsipihany manokana ny momba ireo ampaham-bola ambarany fa mirotsaka any amin’ny kaominina avy amin’ny hofana fiantsonana fiara tantanan’ny orinasa Easy Park. Ao ihany koa ireo vola nalaina tamin’ny taratasin-ketra momba ny trano. Miantso ny Inspection Generale de l’Etat (IGE) mba hanadihady ao amin’ny CUA ity mpanolotsaina monisipaly mijoro ho mpanohitra ity. Resaka teknika madiodio ve no ao ambadik’izao fanehoan-kevitra izao sa efa paikady politika ? Anisan’ireo kandida ben’ny tanàna tsy lany satria resin-dRamatoa Lalao Ravalomanana mantsy i Lalatiana Ravololomanana ary tena masiaka amin’ny fanoherana ny mpitantana ny kaominina izay hiasany ihany koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.