Politique

Lalatiana Ravololomanana “Manaova ampamoaka raha madio tanana !”


  • Alakamisy 22 Jolay 2010

Ny filoha nasionalin’ny antoko Manda ho an’ny Firaisam-pirenena sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert, Lalatiana Ravololomanana no vahinin’ny Tia Tanindazana amin’ity anio ity. Fanontaniana manodidina ny raharaham-pirenena ankapobeny, ny trafikana «bois de rose» izay malaza amin’izao fotoana izao, ny Dinika santatra ary ny tolon’ny ankolafy telo no novantambatanina taminy araka izao manaraka izao.

Tia Tanindrazana (T.T) : Ianareo ao amin’ny ankolafy telo toa miantehitra amin’ny fianakaviambe iraisampirenena hatrany, indrindra fa amin’ i Joaquim Chissano, lany bala angaha ?Lalatiana Ravololomanana (L.R) : Raharaham-pirenena ity ka tsy iandrasana na iza na iza ! Aoka tsy hohadinoina ny tantara fa efa nisy anie ny fikaroham-bahaolana isan-karazany nataon’ny Malagasy izay notarihin’ny Raiamandreny ao amin’ny FFKM e ! Tao koa ny teny amin’ny Panorama sy ny Nonce Apostolika izay nandraisan’ny ankolafy politika rehetra anjara. Rehefa tsy tafavoaka anefa ireny rehetra ireny dia nentina nankany ivelany ny fikaroham-bahaolana izay nankinina tamin’ny firaisambe iraisampirenena tarihin’i Joachim Chissano ny fanelanelanana ka nivoahan’ny Satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba. Samy nanao sonia an’iny ny ankolafy rehetra ankoatra ny antoko sy fikambanana politika miisa 69 fa tsy nisy noterena akory sanatria. Raha miteny ary ianao hoe miankin-doha amin’i Chissano izahay dia ambarako fa tsy mitombina izany. Tsy azo avela ho raraka an-tany ireny fifanarahana efa vita ireny satria midika ho tsy firaharahaina ireo mpanelanelana izany. Momba an’i Chissano manokana dia mahatsiaro tena ho manana adidy izy amin’ny maha lehiben’ny mpanelanelana azy satria tsy mbola vita ny asany. Ary izay indrindra no mbola hahatongavany eto Madagasikara.

 
T.T : Fa inona marina no tena olanareo amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena ka andavanareo ny fanelanelanana ataony ? Resaka olona ve satria misy avy amin’ny antoko politika ny sasany amin’izy ireo, sa fomba fiasa ?
L.R : Tsara ny manamarika aloha fa tsy Raiamandreny mijoro ireo fa Raiamandreny najoro. Manaraka izay dia tsy resaka olona loatra no olana fa ny fomba amam-panao mihitsy no tsy mety ka toherinay. Tsy mamaly ny fototry ny olana ny zavatra tian’izy ireo hatao fa misy fiandaniana amin’ny mpitondra ny FAT. Tetezamita irahana no tokony hapetraka eto hananganana ny vato fehizoron’ny Repoblika faha-4 kanefa ny fanatanterahana ny sori-dalana nambaran’i Andry Rajoelina io ataon’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena io. Mazava be mihitsy fa izay ambaran’ny filohan’ny FAT ihany no tanterahany. Aoka mihitsy izay ny fanamafisana ny tsangan’olona eto amin’ny firenena.
 
T.T : Hiatrika ny dinika santatra ve izany ianareo raha ny fitambaran’ireo fiarahamonim-pirenena no mikarakara azy saingy tsy horesahana amin’izany intsony kosa ny satan’i Maputo ?
L.R : Tsara tokoa raha mifanaraka ireo fiarahamonim-pirenena ary raha ny siosion-dresaka reko dia efa misy zavatra tipanak’izy ireo any. Tokony hiarahana mamolavola hatrany izay zavatra hatao fa tsy teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza akory. Tsy azo avela amin’izao fotsiny koa ny satan’i Maputo izay nifaneken’ny rehetra ary azo atao ny miady hevitra an-databatra boribory momba izay sakana tsy ahafahana mampihatra iny fifanarahana iny. Tsy voatery arahina ara-bakiteny akory ireo andininy rehetra fa azo ahitsy izay hita fa tsy mety. Mbola averiko hatrany fa isika Malagasy no namolavola sy nanao sonia iny fifanarahana iny fa tsy nisy nanery akory. Azo iadian-kevitra toy izany koa ny sori-dalan’i Andry Rajoelina.
 
T.T : Niverina ny famatsiam-bola ny tetikasa PSDR sy BVPI (fiarovana ny sahandriaka). Tsy midika ho fankatoavana ny FAT ve ireny sy tsy fahombiazan’ny tolona ataonareo ?
L.R : Tetikasa mitsinjo ny maha olona ireny fa tsy fampiasam-bola ho amin’ny fampandrosoana (crédit d’investissement) akory. Aza hadinoina koa anefa fa matoa ireo vahiny ireo mbola mijanona eto dia noho ny fiarovany ny tombontsoany ka izay no ilana ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena tia tandrindrazana hanavotra ny firenena.
 
T.T : Nilaza ny Pr Zafy Albert fa manana ny lisitr’ireo mpitondra tafiditra amin’ny raharaha “bois de rose”. Amin’ny maha mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy anao, inona no manakana azy tsy hamoaka izany fa hiantso an’i Andry Rajoelina hanao ampamoaka indray ?
L.R : Rajoelina sy ny forongony izao no mibodo ny fahefana rehefa nanongam-panjakana ka rariny raha izy no mampahafantatra ny vahoaka momba ity raharaha ity. Raha tena madio tanana tokoa ireo milaza azy fa mpitondra dia tokony ho sahy hanao ampamoaka. Matoa Rajoelina tsy mamoaka ny marina dia izy izany no lohalisitra ao anatin’ny afera.
 
T.T : Toa mandroso mihemotra izany ianareo ankolafy telo, amin’ny dia mankany atsimo ?
L.R : Hamafisiko fa dia efa voaomana io dia mankany Fianarantsoa sy Toliara io ka tsy maintsy hotanterahana saingy voatery nahemotra noho ny fahatongavan’ireo Iraka isan-karazany avy amin’ny SADC, ny Vondrona Eoropeanina ary izao indray ny Parlemantera frantsay tarihin’ny Loholona Jean Faure. Tsy azo itodihan-damosina ireo vahiny manampy amin’ny fikaroham-bahaolana ireo ho fitandroana ny fiandrianam-pirenena. Ny hamaranako azy dia ny teny filamatray FLM, hoe : “Izahay tsy mba naman’izay mihemotra
 
T.T : Hisy adihevitra hotontosain’i Andry Rajoelina any Mahajanga ny alahady izao izay handeha mivantana amin’ny TVM. Inona no andrasanao amin’izany ?
L.R : Voalohany dia ny fialany satria tsy vitany ny mampihavana ny Malagasy. Iaraha-mahalala fa vaky ny mpianakavy, ny fiarahamonina, ny mpiray fiangonana ary koa ny miaramila noho ny disadisa ateraky ny krizy. Faharoa dia tokony hamoaka ny anaran’ireo olona manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena izy. Fahatelo dia tokony hiaiky izy fa tompon’andraikitra amin’ny fahaverezan’ny asan’olona maro vokatry ny fahapatahan’ny AGOA. Fahaefatra dia tokony hiaiky koa izy fa tsy mitana ny teniny sy nanitsakitsaka ny “Satan’ny Soatoavina’ izay ny tenany no nangataka azy tany Maputo ary farany dia tokony hosokafany koa ny sehatra hahafahan’ny mpanao politika maneho hevitra.
 
Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT