Politique

Lalatiana Rakotondrazafy «Vita ny nilŕna anay, dia nahilika izahay !»


  • Talata 23 Aogositra 2011

Omaly vao tena nanambara tamin’ny fomba ofisialy tao amina onjampeo tsy miankina iray teto an-drenivohitra i Lalatiana Rakotondrazafy sy i Fidčle Razanapiera, fantatra amin’ny famakafakana ara-politika fa noroahana avy tao amin’ny Viva Radio izy ireo satria tsy nitovy fomba fijery sy foto-kevitra intsony tamin’ny mpanorina izany onjampeo izany dia tsy iza fa ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina.

 Raha araka ny fanavazan’ireto mpanao gazety ireto dia nahatonga izao fisarahana izao ny nanambaran’izy ireo fa tsy mety ny nampidirana ao anatin’ny governemanta ireo mpanao politika sasantsasany tahaka an-dry Yves Aimé Rakotoarison sy Hery Raharisaina ary Riana Andriamandavy VII izay samy avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, tahaka izany ihany koa i Pierrot Rajaonarivelo, satria tsy hampiova zavatra sy tsy hamaha ny krizy akory ny fidiran’izy ireo ao ary mety vao miha aza hampitombo ny fahasahiranan’ny fitondrana tetezamita. Tsy nisalasala ihany koa moa ireto mpanao gazety ireto namaky bantsilana ny tsy mety sy gaboraraka ary fanangonan-karena ataon’ny mpitondra sasany ao anatin’ny FAT.

Tsy nankasitraka izany fomba fijery izany, raha araka ny nambaran’i Lalatiana Rakotondrazafy ny filohan’ny FAT koa dia nifampitso-drano ny roa tonta. Nanamarika tsara anefa izy ireo fa tsy nisy tambiny ara-bola ny fandaharana sy ny famakafana nataon’izy ireo tao amin’ny onjampeo Viva. Nahitsy ihany koa ny tenin’izy ireo nanao hoe : "vita ve izany ny nilana anay dia nahilika izahay ... ?". Azo itarafana ny savorovoro eo amin’ireo samy mpanohana an’i Andry Rajoelina ity tranga iray ity. Telo taona aty aoriana dia mifandramatra sahady ireo mpiara-dia amin’ny FAT ary dia mampalemy isan’andro ny fitondrana tetezamita izany ary mampihozongozona ihany koa ny sezan’i Andry Rajoelina, raha tsy hoe tena sahy mamoaka ny anaran’ireo manampahefana be vinany sy manao gaboraraka angamba izy dia mety ho avotra ihany, fa raha tsy izany dia hiaraka ho rendrika ao anatin’ilay sambo be tsy nety tafainga teo an-tseranana izy mianakavy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT