Politique

Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidčle Razara Pierre Notazomina an-dakazerina


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Notazomin’ny zandary atao andrimaso “garde ŕ vue” eny amin’ny Toby Betongolo nanomboka halina ireo mpanao gazety mianadahy, Fidčle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy, mpanentana ny fandaharana “Anao ny fitenenana” ao amin’ny radio Free-FM 104.2.

 Izany dia taorian’ny fitorian’i Mamy Ravatomanga azy ireo nipetraka teny amin’ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo.
Ny zandary ao amin’ny Borigadin’i Tanà Ville etsy Betongolo no nandray an-tanana ny famotorana azy ireo mikasika ilay fitoriana, raha teny amin’ny sampana misahana ny fikarohana momba ny heloka bevava no nandray izay teo am-piandohana ka niantsoana azy ireo teny Fiadanana ny alakamisy 26 aprily 2012 nampahafantarana ny fisian’io fitoriana io. Omaly alarobia tolakandro no nanomboka ny fakana am-bavany azy ireo teny Betongolo, izay naharitra adim-pamantaranandro fito, ary natrehan’ny Me Andry Fiankinana, mpisolovava azy ireo. Taorian’izay dia notazomina avy hatrany tao Betongolo natao andrimaso na «garde à vue» ireto mpanao gazety mianadahy ireto, araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy ireo. Manana 48ora ny mpanao famotorana hitazomana azy ireo hanohizana ny famotorana.

Ity farany izay nanamarika fa betsaka ny tsy fanarahan-dalàna niseho tamin’ny famotorana. Anio izy no milaza ny hanome fanazavana bebe kokoa mikasika izany, ho fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana. Resaka fanalam-baraka, fanentanana amin’ny fankahalana, fanaparitahana vaovao tsy marina, fiampangana mihoapampana ary famingavingana no vesatra iampangana ireto mpanao gazety ireto. Mbola mandeha na izany aza ny radio Free-FM 104.2 saingy hirahira masina sy feon-kira no nifandimby re tao omaly.

Tsy hisy ny fandaharana “Anao ny fitenenana”, anio araka ny fanamarihana nentin’ny mpisolovava. Manamaloka ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay ankalazaina isan-taona isaky ny 03 mey, ity tranga ity ary manohintohina ny fampiharana ny tondrozotra ihany koa. Manana andraikitra amin’izany ireo mpanao sonia ny tondrozotra, indrindra ny SADC izay tompon’antoka amin’ny fampiharana azy io. Mangina tsy ahenoan-teny anefa izy ireo hatreto. Fa eto an-toerana dia hifamory etsy Antanimena ny mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpanao gazety handinika ny tokony hatao manoloana ity tranga ity, araka ny nambaran’i Rocco Rasoanaivo, ary hisy ny fanambarana hataon’ny sendika aorian’izay.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT