Handrotsaka kandida depiote any Antsirabe, Tsiroanomandidy, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Sainte Marie, Manakara,
ary Mananjary ny antoko Freedom, naorin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, araka ny nambara nandritra ny fifampiarahaban’ny antoko ny fahatrarana ny taona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina omaly alahady 17 febroary. Nambaran’ity filoha nasionalin’ny Freedom ity fa handeha irery izy ireo amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Hanolotra kandida amin’ny anaran’ny Antoko Freedom isika amin’io fifidianana io, nefa kosa tsy hataontsika hanimba ny fiaraha-miasantsika amin’ny antoko politika hafa izay miara-mivondrona amintsika ao anatin’ny fanohanana ny fitondrana misy amin’izao fotoana, hoy hatrany izy. Raha tonga amina fifanaraham-piaraha-miasa isika hoe ny toerana izay hilatsahan’ny antoko Freedom, dia tsy tokony hilatsahan’ny antoko hafa, dia arahaba soa arahaba tsara, fa raha tsy izay dia ampian-tafika tsy ampian-tafika isika, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy. Raha halalinina io teniny io, dia karazana fanitrikitrihana na fihantsiana ady amin’ny TGV na ny MAPAR na ny vovonana mety hatsangana amin’ny fandrotsahana kandida. Manohana ny kandidan’ny Freedom izy ireo tsara, ary raha tsy hanohana fa hanolotra kandida, ohatra, dia efa tongotra mby an-dakana ny an’ny Freedom, ka aleo izany hifanjevo ao, raha fakafakaina ny voalazan’ity minisitra ity. Adidiko ihany ny miresaka aminareo fa matoa aho misolotena anareo ao anatin’ny governemanta, dia misy zavatra tsy maintsy andrasanareo amiko mba tsy hampitsanga-menatra anareo anaty fiarahamonina, hoy ity minisitra ity. Nanome toky ny mpiray antoko taminy izy, fa amin’ny fotoana rehetra hijanonany ao anaty governemanta dia hiasa ho azy ireo, hiasa ho an’ny antokontsika, hiasa ho an’ny firenentsika, hiasa ho an’ny vahoaka Malagasy. Asa aloha izay ho fandraisan’ny samy ao anaty fanjakana ity tenin’i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ity, fa nahery ny teniny omaly toa mihantsy ny TGV na ny antoko hafa manohana ny fitondrana satria ampian-tafika tsy ampian-tafika izany izy ireo amin’ny fandrotsahana kandida depiote amina toerana maromaro, ary miasa ho an’ny antokony ihany koa ity minisitra ity ao anatin’ny governemanta ao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.