Politique

Lalatiana Rakotondrazafy Hanaja ny fahalalahana maneho hevitra ve ?


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Voatendry ho minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Mampatsiahy ny zava-nitranga telo taona lasa izay, ny fandaniana teny anivon`ny Antenimieram-pirenena ny fehezan-dalàna hifehezana ny serasera (code de la communication).

 

 Nifandroritana mihitsy ilay lalàna tamin`ny andron`ny minisitry ny serasera teo aloha, Andrianjato Vonison. Nampisamatsamaka ny tontolon`ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety mihitsy izany fehezan-dalàna izany. Ity minisitra vaovao ity no niady fa hahitsy amin`ny tokony ho izy ny fehezan-dalàna mikasika ny serasera. Ny lalàna mifehy ny serasera mantsy dia andry iray fototry ny demokrasia amin`ny tany milaza sy mitonona hampandany ny demokrasia. Tamin`izany, nalaza ny “loi liberticide », na lalàna manohintohina ny fahalalahana eo amin`ny fanehoan-kevitra, asa fanaovan-gazety … izay voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. 9 hatramin`ny 11 manodidina ny fahafahana maneho hevitra ary mikasika ny fahafahana mitrandraka vaovao. Anisan`ireo lohandohany tamin`ny fitarihana ny fanoherana ny fandaniana ilay fehezan-dalàna Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Lasa minisitra izy ankehitriny. Hiaina sy hampanjaka izany ve izy ? Handray fanapahan-kevitra hanitsy izay andininy mbola mampiahiahy ve ? Hisitraka fahalalahana sy fahitsiana ve ny tsirairay ? Inoana fa hampanjaka ny fahalalahana sy fanehoan-kevitra Ramatoa minisitra izay mpanao gazety sy mpamakafaka politika ary anisan’ireo tena henjam-pitenenana. Ho vitan`ity minisitra andriambavilanitra ity ve ny hamerina amin`ny laoniny ny firaisankinan’ny mpanao gazety sy ny hasin’ny asa fanaovan-gazety ? Tontosa omaly moa ny fifamindram-pahefana teo amin`ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina vaovao, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy sy ny minisitry ny kolontsaina teo aloha Johasy Eleonore, hotanterahana ny alatsinainy ho avy izao kosa ny famindram-pahefana eo aminy sy ny minisitry ny serasera teo aloha Riana Andriamandavy VII.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT