Nanatontosa ny kongresy voalohany ny antoko Taniko I Madagasikara. Teny amin’ny «Le Cheval d’Or» Ilafy no nanatanterahana izany, ny sabotsy lasa teo.
Tonga nitafa fohy tamin’ireo mpizaika Rtoa Lalao Ravalomanana ary tamin’izany no nanamafisany ny fahavononany handray anjara amin’ny fanarenana ny firenena. «Tsy mihemotra amin’izany i Neny», hoy izy «ary vonona isika hanarina ny rava». Nambarany kosa anefa fa tsy adidiny samirery izany fa andraikitra miandry ny rehetra izany asa goavana izany satria «Tanintsika i Madagasikara». Tsikaritra hatrany fa toa izay toerana rehetra andalovan-dRtoa Lalao Ravalomanana dia hahatsapana hafaliana sy hafanam-po ny fihaonany amin’ny vahoaka. Ifandrombahana ny handray ny tanany ho fanamarihan’ny rehetra ny firaisana aina ao anatin’ny tolona sy ny fahavononana hiara-miasa indray ho an’ny tanindrazana.
Marihina fa mpiara-mitolona maro no nanotrona ny “Taniko I Madagasikara” tamin’izao fihaonana tamin’i Neny izao. Niaraha-nizara ny ainga vao sy ny fahavononana hiaro ny safidy any anaty vata fandatsaham-bato ka tsy natao fifankaherezana fotsiny ny «1er tour dia vita» fa teny fanoitra ho entina miasa ihany koa hanatrarana ny tanjona. Na dia tsy be resaka aza Rtoa Lalao Ravalomanana dia mafonja ny zavatra ambarany ary maharesy lahatra avy hatrany izay manatrika; izy rahateo amin’ny maha Reny aza dia mahay manakaiky kokoa ny olona, mahay mihaino ary mifantoka betsaka amin’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.