Raha anatin’ny samboaravoara sy ny ahiahy ny etamazaoro politika sy ireo kandida sasany hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay ho avy io, dia hentitra kosa ny lehiben’ny ankolafy Ravalomanana omaly, raha tafaresaka fohy an-telefaonina tamin’ny Tia Tanindrazana, nilaza fa «vonona, tsy mihemotra ary tsy miherikerika» hiatrika izany.
Nanamafy Atoa Marc Ravalomanana, fa manana kandida dia i Neny Lalao Ravalomanana, ary “vonona” hiatrika ny fifidianana. Tsy mampihontsona fa vao mainka aza hery lehibe ho azy ireo hiatrehana ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara ny trangan-javatra miseho ankehitriny. Ny sabotsy 04 mey teo, tsiahivina no nanolorana voalohany ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana tao an-kianjan’ny Magro Behoririka, taorian’ny namoahan’ny CES ny lisitr’ireo kandida ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Io andro io, saingy tao Antsirabe nandritra ny hetsiky ny Zanak’i Dada tao amin’ny Magro Avaratsena, dia nanamafy tamin’ny vahoakan’i Vakinankaratra ny filoha Marc Ravalomanana fa i “Neny ihany no kandidàntsika, ary efa vonona amin’izany izy”. Nambaran’ny filoha Ravalomanana fa efa misy ny paik’ady manokana hampandaniana an’i Neny «1er tour », ka nanafarany ny zanak’i Dada hanaraka tsara ny toromarika.
Ho avy rahateo izy handrindra izany paik’ady izany, araka ny nambarany tamin’io sabotsy io. Io andro io saingy tany Toamasina kosa no nampahatsiahivan’ny Filoha Ravalomanana ireo mpiara-dia aminy fa “ny tonga miaraka dia fanombohana, ary ny miasa miaraka no fahombiazana”, ka “tsy tokony hanana ahiahy fa izaho dia i Lalao Ravalomanana ihany”, hoy izy. “I Neny aloha izao no afaka hanohy ny lalana efa nosoritantsika hampandrosoana ny firenena izay notapahan’ireo mpandrombaka fitondrana”, ka “mila mivonona isika, mila sahy ihany koa amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana, satria io fahamarinana izay fototry ny tolona ataontsika io no antoky ny fandresentsika”, hoy hatrany ny filoha Marc Ravalomanana, izay niantso ireo mpomba azy hanambatra ny hery sy hiray hina hatrany.
Etsy amin’ny Magro Behoririka dia ny mifantoka amin’izay fanamasahana ny fiatrehana ny fifidianana ny resaka arahin’ny fanentanana ny zanak’i Dada ihany hanao andrimaso ny zava-masy manodidina ny fikarakarana ny fifidianana. I Neny kandida, mandritra izany rehetra izany dia miomana hitety faritra, hanentana ireo mpanohana azy, hivonona amin’ny dingana lehibe hotanterahina amin’ny 24 jolay 2013. Rahampitso tolakandro, eny amin’ny foiben-toeran’ny CENIT no hanatanterahana ny antsapaka handaharana ireo kandida ao amin’ilay bileta tokana sy amin’ireo toerana voatokana hametahana petadrindrina mandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. Hanamora ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra rahateo ny fahazoana laharana alohaloha, voalohany, indrindra indrindra amin’io an-tsapaka io, izay andrasan’ny maro fatratra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.