Nilatsaka ny baiko fa tsy azo alefa amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) intsony ny feon’ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Lalao Ravalomanana.
Niditra an-tsehatra nandritra ny fivoriana fandaminana sy fitsinjarana asa fanaon’ny mpanao gazetin’ny TVM hiparitaka maraina hitrandraka vaovao, ny Talen’ny kabinetran’ny minisitra Nivo Ratiarson omaly, ary nanome baiko fa tsy azo alefa ao amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) intsony ny feon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, baiko izay azo antoka fa hampiharina any amin’ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM) amin’ny maha haino aman-jerim-panjakana azy ireo.
Mampametra-panontaniana ihany ny tranga toy izany, indrindra fa hirahiran’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao ny hoe : “malalaka” ary voizin’ny minisitra Andrianjato Vonison sy ny Talen’ny kabinetrany Nivo Ratiarson ao amin’ny fandaharan’izy roalahy “Ady Gasy” alefan’ny TVM sy RNM ary radio tsy miankina sasany eto an-drenivohitra fa tsy misy fitondrana malalaka toy ity entin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ity, ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara.
Na ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier aza nanamafy teo anatrehan’ireo tompon-gazety nandritra ny fihaonana teny Mahazoarivo ny alakamisy 21 aprily lasa teo, fa manaja ny fahasamihafana sy ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra.
Koa baikom-panjakana sa fanapahan-kevitra samirerin’ny eo anivon’ny ministeran’ny serasera mba hiarovan-tseza ve ity fandrarana tsy handefasana ny feon’i Lalao Ravalomanana ao amin’ny TVM ity ? Lalao Ravalomanana izay olom-boafidy, fanampin’izay Ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Madagasikara.
Ny toy izao ihany koa ve no tsy anendrena ny Talen’ny TVM mandrak’iankehitriny, taorian’ny nanesorana an’i Lantomalala Rasata, tale teo aloha ny 30 desambra 2015, na dia efa re siosio ihany aza ny anaran’i Bertrand Ranaivomanana ? Ity farany izay tonian’ny fanoratana faha Lantomalala Rasata talen’ny TVM, ary lasa ny 8 janoary 2016. Izy anefa izao no toa tsara toerana ho talen’ny TVM, fisondrotana amin’ny asa ho azy saingy hamerim-botsitra izany rafanjakana.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.