Politique

Lalao Ravalomanana Vita batemy ary tsara tso-drano


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Hipoka hatreny ivelany ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 4 mey.

 Voaporofo tamin’ny zava-nisy teny an-toerana tamin’io andro io ny firaisankinan’ny Zanak’i Dada sy ankolafy Ravalomanana manontolo. Niditra kianja ary naseho vahoaka ampahibemaso voalohany tamin’io rahateo i Neny Lalao Ravalomanana, kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana. Vita batemy an-kianja ara-bakiteny i Neny ary tsara tso-drano avy amin’ny mpitolona rehetra tamin’izao fanolorana azy ofisialy tamin’ny vahoaka izao, mialoha ny hitetezany faritra hihaonany amin’ireo mpomba azy. Nanakoako tao Behoririka ny “Hafa ihany i Mama”, ny “Vavaka ho anao ry Neny”, “Lalao ê ! Lalao â !” ka “Sahia ‘ndeha hiara-dia” sns…

Ny fahitana ireo ankizy mianadahy kely nanolotra fehezam-bonikazo ho azy, mari-pitiavana noho ny tsingerintaoana faha-60 nahaterahan’i Neny, dia mampahatsiahy tamin’ny endriny nivantana ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa) vinam-piarahamonina nentin’ny filoha Marc Ravalomanana nampandrosoana an’i Madagasikara. Ilay lahikely toa mampahatsiahy ilay sary tamin’ny fonon’ireny boky MAP ireny, ilay vavikely nanao aronakajo pentina maitso sy fotsy dia mampitamberina ao an-tsaina ny fampitoviana lanja ny zaza Malagasy tao anatin’ilay programa “Fanabeazana ho an’ny daholobe” nimasoan’ny fitondrana Ravalomanana. Raha atao bango tokana kosa ny hafatr’i Neny hoan’ny zanany dia nifototra tamin’ny fitazonana ny finoana nanan’ny rehetra hatramin’izay sy ny famerenana ny teny filamatra “Aza matahotra minoa fotsiny ihany”.

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT