Hita avy hatrany omaly fa tena nanova ary mbola hanova zavatra maro ny maha kandida an-dRamatoa Lalao Ravalomanana.
Tsy nisy afa-tsy io no resaka hatry ny alahady alina raha vao niparitaka ny fanapahan-kevitra avy any Afrika Atsimo. Mazava ho azy moa fa tsy maintsy misy ny mpomba, misy ny manakiana. Fomban-javatra izany ary izay koa no miteraka ny adihevitra. Fa raha dinihina amin’ny ankapobeny aloha ilay izy dia maro ny olona mankasitraka ny firotsahan’i Neny amin’ny fifidianana. Ny vehivavy aloha dia efa maro no babo sy velom-panantenana hoe : ho hafa kokoa ny zava-misy eto raha toa ka renim-pianakaviana no filoham-pirenena. Misy koa ireo tsy mankasitraka, indrindra fa ny lehilahy sasany satria ho azy ireo dia tsy mbola mety amin’ny Malagasy aloha, amin’izao fotoana izany tantanana vehivavy izany. Maro ny hevitra na fomba fijery nivoaka omaly momba ity resaka ity, fa tamin’ny ankapobeny kosa aloha dia tsy nisy ny hoe : tena fanoherana mahery vaika, fa tahaka ny vonona ny hiatrika ny fanovana ihany ny rehetra.
Lehilahy foana no nitantana hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, ka aleo mba handray andraikitra indray ny vehivavy, ka hampiseho ny talentany sy ny traikefany amin’ny fitantanana, hoy ny renim-pianakaviana iray. Efatra hatreto ny andriambavilanitra nilaza fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy ampihambahambana no ilazana, taorian’ny fanadihadiana tsotsotra natao fa tena manana tombony betsaka Rtoa Lalao Ravalomanana. Na ireo kandida lehilahy aza dia misimisy ihany no mety hovereziny lavitra, raha araka ny hevitry ny olon-tsotra nanontaniana. Ireo zanak’i Dada aloha dia tsy anontaniana intsony fa efa mazava ny azy ireo ny safidy, any amin’ny faritra maro samihafa manerana ny Nosy ihany koa dia efa maro mpahalala i Lalao Ravalomanana. Tsy azo adinoina fa mety ny fitaovana no simba sy nopotehana fa ny mpiasan’ny orinasa Tiko dia mbola eto ihany, ary tena handray anjara mavitrika amin’ny fanohanana an’i Neny. Fehiny, tsy mbola manomboka akory ny propagandy dia hita fa efa tsara toerana ary manana tombony raha oharina amin’ireo kandida hafa rehetra Rtoa Lalao Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.