Politique

Lalao Ravalomanana « Tsy maintsy miara-miasa raha te handroso »


  • Zoma 06 Oktobra 2017

Mbola ambany ny tetibola ampiasain’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana na ny kaominina raha oharina amin’ny tetibolan’ny fanjakana foibe.

Mbola ambany ny tetibola ampiasain’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana na ny kaominina raha oharina amin’ny tetibolan’ny fanjakana foibe. Tsy misy afa-tsy ny 3%-n’ny tetibolan’ny fanjakana foibe izany, hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana, ben’ny tanànan’Antananarivo, omaly, nandritra ny fanokafana ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fitantanam-bola amin’ny vondrom-bahoakam-paritra ho an’ireo firenena frankofona aty atsimon’i Afrika  fa tsy mbola nahazo an’ilay famatsiam-bola avy amin’ny fitondrana foibe ny kaominina Antananarivo Renivohitra hatramin’izay naha ben’ny tanàna azy ny volana oktobra 2015 na dia manana ilay sata manokana amin’ny maha renivohitry ny firenena azy aza Antananarivo. Nahazo an’io vola fanampiana io avokoa anefa ireo ben’ny tanàna nitondra teo alohany.Tsy maintsy mipetraka tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny governemanta raha toa ka tiana hahomby ny asa fampandrosoana atao, hoy izy. Efa tena miasa ny kaominina, saingy voafetra ny zavatra vitany noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Napetrany mazava fa tsy maintsy karohana ny hevitra hahafahana miara-miasa eo amin’ny fitondrana foibe, ny kaominina, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena mba hahafahana mandroso sy mandresy ny fahantrana. Mila mandray anjara avokoa ny rehetra na ny mpitondra na ny vahoaka, hoy izy ary mila manana ilay fahefana sy tetibola mifanaraka amin’ny andraikiny ny kaominina rehetra hahafahan’izy ireo miasa ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny tanàna. Minoa aho fa hahazo ny anjara fanampiany avy amin’ny fitondrana foibe aorian’izao dinika sy atrikasa izao Antananarivo Renivohitra satria efa mazava tsara ny zava-drehetra , hoy izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT