Politique

Lalao Ravalomanana “Tsy maintsy madio Antananarivo”


  • Zoma 25 Martsa 2016

Mampiteny ny moana ny loto eny Anosibe, nidina vao maraina nijery ny zava-misy teny an-toerana omaly ny ben’ny tanŕna Rtoa Lalao Ravalomanana ary niara-dia tamin’ny ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ireo solombavambahoaka ary ny mpiara-miasa avy ao amin’ny CUA.

 


Tsy maintsy madio

Tsy azo ekena ny hiainan’ny vahoakan’Antananarivo ao anatin’ny loto, hoy ny ben’ny tanàna ka tsy maintsy atomboka ny asa fanadiovana. Omaly ihany dia efa natomboka izy io ary hitohy anio, ary ezahana hadio tanteraka Anosibe. Tsy maintsy apetraka mazava ihany koa ny fanarahana sy fanajana ny fitsipika ho an’ny rehetra satria samy tompon’andraikitra. Manentana ny mpivarotra rehetra ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo mba hiaraka hientana, hanaraka ny fandaminana ka hiaraka hanadio, miaraka ny rantsamangaikan'ny Kaominina Antananarivo. Nanambara ny Ben'ny Tanàna fa tsy maintsy mihinana sakafo madio ny vahoaka rehetra amin'ny ankatoky ny fetin'ny Paska, satria ny sakafo rehetra avy eto amin'ny tsenan'Anosibe no miparitaka any  amin'ny mpanjifa, ka mila hajaina ny zon'ny vahoaka amin'ny fihinanana sakafo madio. Manainga an'ireo  malala-tanana koa ny Ben'ny Tanàna amin'ny fanampiana ho amin'ny fanatsarana ny Tanàna.

Coach

Tazana teny Anosibe koa moa io omaly io Atoa Marc Ravalomanana izay nanambara fa tsy hisalovana ny andraikitry ny mpitantana ny tanàna sy ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra akory izy. Azony atao tsara kosa anefa ny misahana ny anjara asan’ny «coach» ho fanampiana an’i Neny Lalao Ravalomanana amin’ny maha vadiny azy. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa niara-nitokana ireo fotodrafitrasa dia ny tsenan’Anosibe sy ny lalam-baovao «Boulevard de l’Europe» tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny filoham-pirenena frantsay Jacques Chirac ny taona 2005.


Ramano /RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT