Politique

Lalao Ravalomanana teny Ankasina “Mikaroka vahaolana maharitra isika”


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Tonga nijery ireo traboina vokatry ny hain-trano tetsy Ankasina 67 ha omaly ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.

 

 Tsy nitondra tanam-polo anefa izy fa nanolotra fanomezana  toy ny  lela-vola 1,4 tapitrisa Ar, fotsimbary 10 kitapo, savony, borosy fanasan-damba, fitafiana, jiro fitondra am-paosy, koveta, zinga, kahie, daba fanangonan-drano…Nijery akaiky sy namantatra ireo tena  zava-misy marina iainan’ireo traboina  ihany koa ny tenany sady  nihaino mivantana ny hetahetan’izy ireo. Nambarany fa tsy afaka miandry ny fanaraha-maso ny ara-pahasalaman’ny mponina sy ny famonoana ny bibikely toy ny  moka. Efa am-perinasa avy hatrany ireo mpitsabo avy ao amin’ny BMH nanomboka omaly, hanomboka anio kosa ny fandraofana ireo fako eny amin’ny manodidina izay hiarahana amin’ny SAMVA. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny mponina izany fanampiana goavana izany. Ny fitsinjovana ny maha samy Malagasy no tokony hibaiko ny fiaraha-miasa sy hikatsahana vahaolana maharitra amin’ny voin-kava-mahatratra toy izao,  hoy i Neny Lalao Ravalomanana. Ilaina rahateo ny mametraka paikady maharitra miompana amin’ny reny sy ny ankizy ary ny tsy an’asa, araka ny fanampim-panazavany hatrany

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT