Feno hipoka ireo mpanohana an’i Neny Lalao Ravalomanana ny efitrano malalaky ny Depioten’i Fandriana teo aloha tao Andrefantsena Fandriana ny sabotsy 25 mey 2013 lasa teo.
Antom-pivoriana ny fananganana ny komity mpanohana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy eo anivon’ny Distrikan’i Fandriana. Nitarika izany ny mpandrindra ny hetsika dia ny CT Andriambelosoa Barijaona, Depioten’i Fandriana teo aloha, niaraka tamin’ireo filoham-pikambanana politika ao Fandriana miara-dia amin’ny fampandaniana an’i Neny. Nandritra ny fananganana ny komity mpanohana no nahalany an’i Joelison Randrianaivo hitarika ny ekipa valo miaraka aminy ao Fandriana. Vonona hampandany an’i Neny ireo komity voafidy avy amin’ny solontenan’ny Kaominina miisa 13 mandrafitra ny Ditrika.
Samy naneho fahavononana ireo ekipa rehetra fa tsy maintsy lany amin’ny fihodinana voalohany ao Fandriana i Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana. Ireto komity ireto ihany koa no hanendry ireo olona hisolotena amin’ireo birao fandantsaham-bato manerana ny Distrikan’i Fandriana. Amin’ity herinandro ity no hananganana ireo komity mpanohana an’i Neny isaky ny Kaominina ka ny ao Fandriana sy Milamaina ary Sahamadio no hisantatra izany. Hita taratra tamin’izao fivoriana izao fa mbola velona sy matanjaka tsara ny antoko niara-dalana tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny Distrikan’i Fandriana.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.