Anio sisa no handinihan’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES) ny dosien’ireo kandida dia ho avy amin’izay, rahampitso zoma 3 mey ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ireo afaka hifaninana.
Tsy mora ny asan’ny CES satria maro be tokoa ny zavatra tsy maintsy dinihana lalina, fanapahan-kevitra goavana no havoaka ary hiankinan’ny ain’ny firenena. Mialoha ny maha mpitsara sy mpahay lalàna azy 9 mianadahy mpikambana ao amin’ity fitsarana manokana ity dia olom-pirenena Malagasy izy ireo, mahafantatra tsara ny zava-misy eto sy ny tontolo politika. Inoana fa fantatr’izy ireo tsara ny zavatra andrasan’ny olona ary takatr’izy ireo tsara ny hetahetan’ny Malagasy an-tapitrisany, izay miandrandra ny tena fanovana tokoa, fa tsy fanovana petatoko tahaka ny hita nandritra ity tetezamita ity. Inona moa ny mahatonga ny resabe etsy sy eroa momba an-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, kandida natolotry ny ankolafy Ravalomanana ary efa voasokajy ho anisan’ireo kandida goavana sahady.
Re fa toa misy vondrona mpitsara any ambadibadika any, nikaroka sy mbola mikaroka ny fomba araka ny lalàna, hanilihana ity vadin’ny filoha teo aloha ity. Ho sarotra tokoa, satria raha nety dia efa ela no navoaka sy naparitaka fa tsy izao vao mikatro-doha. Tsy manan-kevitra firy ankoatr’ilay resaka enim-bolana ireo mpanakiana ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity. Resahina koa fa iray lasitra izy sy ny amiraly Didier Ratsiraka, izay nandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ihany koa. Sasanangy samihafa anefa ny azy ireo, satria dia efa tonga teto tamin’ny novambra 2011 ny amiraly Didier Ratsiraka saingy nahim-pony no niverenany tany Parisy Frantsa indray, rehefa nitoetra iray volana teto tsy nanao krismasy akory, ary tsy niverina indray raha tsy ny 18 aprily 2013 teo. Ny an-dRamatoa Lalao Ravalomanana indray dia niverina teto izy ny 27 jolay 2012, saingy noroahin’ny mpitondra ny tetezamita tamin-kery navoaka an’i Madagasikara, ka tsy tafiditra raha tsy amin’ny febroary 2013, dia io no tadiavian’ny sasany ifikirana fa hoe tsy mahafeno ilay fepetra enim-bolana nitoerana teto.
Herim-po very maina
Tsy azo lavina fa tombony betsaka ho an’i Neny ny maha vadin’ny filoha teo aloha azy, satria tena anarana tsy maty kosehina eto Madagasikara izany Ravalomanana izany, ary mahafantatra tsara ny zava-bita sy ny mety mbola ho vita ny olona. Efa-taona no niezaka namafa io anarana io i Andry Rajoelina, saingy toa herim-po very maina fotsiny izany, satria zavatra mafy sy maharitra no sady tsara no tadiavin’ny olona fa tsy zavatra mora, mora atsangana, mora simba, mora adino. Miankina tanteraka amin’ny CES, araka izany, ny ho tohin’ny tantaram-pirenena, ka na teknisianina amin’ny maha mpitsara azy aza, izy ireo dia tsy maintsy handinika tsara ny lafiny ara-politika sy ara-tsosialy, ary ny fifandraisana iraisam-pirenena ihany koa mialoha ny hanapahan-kevitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.