Politique

Lalao Ravalomanana Roso ny dia


  • Talata 21 Mey 2013

Distrika telo indray dia Antananarivo faha-5 (Analamahitsy), Atsimondrano (Behenjy Itaosy) ary Ambohidratrimo (Talatamaty) no notsidihan-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny sabotsy 18 mey teo, fotoana nahafahany nihaona nivantana tamin’ny vahoaka izay efa liana ny hahita azy ary nifampita vaovao taorian’izay efa-taona tsy nihaonana izay ary nijery ifotony ny zava-misy.

 Tsikaritra tamin’ireo faritra nandalovany ireo fa namelona indray ny fanantenan’ny olona ny fahitana ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity, ary na dia tsy nisy aza ny dokambarotra dia tonga marobe hatrany ny olona, izay tena resy lahatra ny hiara-kiasa fa tsy hoe : olona tonga mba hijerijery fotsiny. Raikitra ny Lalao ê, Lalao ê ! Na dia tsy teto an-tanindrazana nandritra ny efa-taona aza Rtoa Lalao Ravalomanana dia mahafantatra tsara ny zava-nitranga teto ary manana ny eritreriny amin’ny fanarenana ny firenena. Vonona ny hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny rehetra i Neny, ka tanjona amin’izany ny fanarenana tanteraka ny firenena izay potiky ny krizy. Famerimberiny ny hoe : hanarina ny firenena isika ka hametraka azy amin’ny toerana maha izy azy hahafahany mivoatra.

Manana vina sy fandaharanasa afaka hanatanterahana izany Rtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy matoa nirotsaka ho fidiana filoham-pirenena. Fantatra fa efa manana ny boky mirakitra ny fandaharanasany ity kandida ity fa amin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra vao tena ho haparitaka sy hampahafantarina ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy izany. Maro koa ny zavatra hitany tany Afrika Atsimo momba ny fiaraha-miasa sy ny fitantanana satria tsy niala sasatra na natory fotsiny no natao tany fa mba nandinika ihany koa ny fomba fiasa sy fomba fanaon’ny olona. Tsy azo adinoina fa anisan’ireo firenena tena mandroso ara-toekarena eto ambonin’ny tany i Afrika Atsimo ary mpikambana ao amin’ny G 20 na ny vondron’ireo firenena 20 manankarena indrindra.

Fa nanatrika ny fanompoam-pivavahana nokarakarain’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana teny Antsahamanitra ny sabotsy lasa teo koa Rtoa Lalao Ravalomanana, izy irery no kandida namaly ny antso, natokan’ny HFM hitondrana am-bavaka ireo kandida filoha sy ny firenena ity hetsika tamin’ny sabotsy teo ity. Mijoro hatrany miteny ny tsy mety sy ny tsy rariny ary ny tsy marina ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ary tsy hipetra-potsiny manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy. Nisy noho izany ny antso avo natao ho an’ny foloalindahy sy ny sehatra iraisam-pirenena mba hanatanterahan’izy ireo ny andraikitra tandrify azy tsirairay avy ho famahana izao krizy manapotika ny firenena izao. Marihana fa na nisy aza ny tolo-kevitra na fangatahana avy amin’ny SADC, ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina dia tsy manana eritreritra hitsoaka an-daharana amin’ny fifidianana izany mihitsy Ramatoa Lalao Ravalomanana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT