Politique

Lalao Ravalomanana Raikitra izany


  • Alakamisy 25 Aprily 2013

Daty horaiketin’ny tantara ity alakamisy 25 aprily 2013 ity. Hihazo an’Ambohidahy hametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany eo anivon’ny firaketan’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana Rtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy.

 Izany dia ho fanamafisana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny 14 aprily 2013, nanendry azy ho kandida raha nivory tany Afrika Atsimo. Anio amin’ny misandratr’andro Rtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, izy tenany mihitsy, no higadona eny an-toerana. Hanotrona azy mazava loatra ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada ary koa ireo mpisolovava sy olon’ny lalàna miaraka aminy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny fifidianana teto Madagasikara, hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena, no nisy vadin’ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka teo aloha, hirotsaka hofidiana.

Andrasan’ny maro araka izany ny fanambarana mety hataon-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy aorian’ny fametrahana ny dosieny. Aminy dia Andriamanitra no mandahatra ny zava-drehetra, ka inoana fa tsy hivaona amin’izay ny zavatra hambarany, na ho teny fohy aza. Izy rahateo dia olon’ny finoana, porofon’izany ny niarahany niombom-bavaka tamin’ny mpino maro nameno fiangonana tao amin’ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena omaly tolakandro, tamin'ny fotoam-pivavavahana iraisam-pinoana ho fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana, izay nokarakarain’ny Vondrona Kristianina Katolika Mijoro amin’ny Fahamarinana (V2KMF).

Tazana teny ny praiminisitra lefitra Botozaza Peirrot, sy Parlemantera maromaro ary koa filohan’antoko sy mpitarika fikambanana toa an’i Jean Louis Rakotoamboa (Teza), Rév Andrianalijohn Ndriamanampy (AMF/3FM), Rakotoson Harotsilavo (Manajary Vahoaka), Rija Rakotomalala (VAMI), Pr Ranjeva Raymond (Hetsika Vonjy Aina). Noredonin’ny mpivavaka ny “Tsy misy reharehako” mandra-pivoaka ny fiangonana ny fianakaviana Ravalomanana. Ankoatra ny kopakopa-tanana dia tehaka sy fampaherezana no azon’i Lalao Ravalomanana ary re tamin’ny vava maro tao Antanimena ny hoe “1 er tour dia vitanao ry Neny !”. Tao anatin’ny tsiky sy hafaliana, nahazo aim-panahy, no nifandaozany tamin’ireo olona maro be nankahery azy io omaly io ary azo antoka fa tsy ho latsa-danja noho izany no hitranga etsy Ambohidahy anio.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT