Niarahaba sy nirary soa ny ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra teny amin’ny toeram-piasany omaly ny sendikan’ny mpanomana fampisehoana, mpihira ary ny mpanakanto.
Nankasitraka manokana ny ezaky ny kaominina amin’ny fanadiovana ny arabe sy ny tsena eto Iarivo ireto solontenan’ny mpivoy ny zavakanto Malagasy ireto. Fotoana nifampizaran’ny roa tonta ihany koa ireo posa-kevitra samihafa fanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina Malagasy.
Fiaraha-miasa
Vonona hiasa hiaraka amin’i Neny Lalao Ravalomanana hampandroso ny renivohitr’i Madagasikara ny fianakaviamben’ny mpandala ny kolontsaina Malagasy. Efa mijoro rahateo ny departemantan’ny kolontsaina ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ka ny fandrindrana ny asa tokony hotontosaina sy tsy maintsy vitaina sisa alamina, araka ny nifanarahan’ny an-daniny sy ny an-kilany. Hamoraina avokoa ny fomba fiasa ahatongavana amin’ny tanjona dia ny fanomezan-danja indray ny lafiny zava-kanto sy ny kolontsaina miaraka amin’ny fitaizana ny vahoaka. Mitaky fanarahan-dalàna sy fitsipi-pifehezana izay efa natomboka tamin’ireo sehatra hafa ary mbola hotohizana anefa ny mpitantana ny tanànan’Iarivo.
Fotodrafitrasa ho an’ny kanto
Maniry ny hisian’ireo fotodrafitrasa natokana hivoizana ny zavakanto sy ny kolontsaina Malagasy ihany koa ny sendika. Hetaheta izay azo tanterahana toy ny fanavaozana ny kianjan’Ambohijatovo eritreretina ary efa ao anatin’ny programan’ny CUA, araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Miandry ireo tolokevitra samihafa avy amin’ireo vaomieran’ny sendika miaraka amin’ny fomba hanatanterahana azy ireo moa ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.