Tsy afaka ny hangina manoloana ny zava-misy Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, koa dia namoaka fanambarana ofisialy omaly.
Tao anatin’izany no nampatsiahivany ny tenin’ny mpanelanelan’ny SADC fa hoe : voararan’ny fotokevitra sy ny lalàna iorenan’ny Vondrona Afrikanina ny fandraisan’anjaran’ireo rehetra nanova rafitra tsy araka ny lalàna, amin’ny fifidianana. Manamafy àry i Lalao Ravalomanana fa tsy mahakasika azy mihitsy io resaka io, feno tsara ny antontan-taratasiny, voatitra ara-potoana, nodinihana ary neken’ny CES fa kandida mahafeno ny fepetra izy. «Kandida filoham-pirenena, hamerina indray ny filaminana eto Madagasikara aho ary hamerina ny ara-dalàna sy ny fitoniana ara-toekarena». Nohamafisiny ao amin’ilay fanambarana ihany koa fa hiasa ho amin’ny famerenana indray an’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany.
Haneho ny safidiny amin’ny 24 jolay ny vahoaka Malagasy, hoy izy, amin’ny alalan’ny fifidianana marina, madio sy mangarahara, ary tokony hohajaina ny fepetra rehetra. Nanome toky ny tenany fa hanaiky sy hanaja izay voka-pifidianana mivoaka eo, ary niantso ireo kandida hafa rehetra mba hanao toy izany koa. Manara-maso antsika izao tontolo izao, hoy ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity ka tokony hasehontsika fa mahay sy mahavita zavatra isika amin’ny alalan’io fifidianana io. “Hanompana ny heriko rehetra hikarohana ny hevitra mba hamerenana ny fitoniana eto Madagasikara sy hampitsaharana amin’izay ny efa-taona nifandirana aho mba hirosoana amin’ny fampandrosoana. Mazava ny hafatra : kandida ary mijanona ho kandida fa tsy hitsoaka an-daharana Ramatoa Lalao Ravalomanana.
Matoky ny fahendren’izay mikarakara ny fifidianana izy, ary tsy ho avy aminy mihitsy no hipoiran’ny fanakorontanana na filam-baniny. Hita ho nanao pi-maso amin’ireo kandida mpifaninana aminy sy ny sehatra iraisam-pirenena koa i Neny, ary maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay. Efa hatry ny ela moa no vonona hiatrika fifidianana ny ankolafy Ravalomanana, ka tsy dia olana aminy loatra ny resaka daty, fa rehefa atao dia atao. Mahafantatra tsara ny heriny ity ankolafy ivondronana antoko sy fikambanana maro be ity, no sady efa manana vinam-piarahamonina matotra, tsotra ary azo tanterahana tsara ho fanasoavana ny Malagasy sy ho fampandrosoana an’ity Nosy ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.