Politique

Lalao Ravalomanana Nanamafy ny fahavononany hanarina ny rava


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Tao amin’ny FJKM Ambohimarina Fahazavana, ao anatin’ny Distrikan’Ankazobe, no nankalaza ny fetin’ny Reny, Ramatoa Lalao Ravalomanana omaly alahady 26 mey. Nentina am-bavaka izy sy ny fianakaviany ary nahazo ny tso-drano ihany koa mba hanandratra avo ny voninahitry ny fiangonana sy ny toeran’ny Reny malagasy amin’ny andraikitra horaisiny eto amin’ny firenena.

 Ho marika hita maso ny fiarahabana azy nahatratra ny fetin’ny Reny kosa dia notolorana lamba salampy malagasy fotsy manjopiaka izy ary nisy koa ny vary gasy an-tsobiky nololohavin’ny mpiara-mivavaka avy any amin’ny 120 km natokana ho azy ho fankasitrahana ny fanekeny ny fanasana. Amin’ny maha vadin’ny filoha mpanampy azy eo anivon’ny fiangonana FJKM moa no nanasan’ny Synodam-paritany Vonizongo Vavolombelona azy, ary dia am-pitiavana no nanekeny izany fanasana izany. Fivoriambe voalohany ity nokarakaraina tany Ambohimarina Ankazobe ity raha ho an’ity synodam-paritany ity manokana.

Nahatsiaro manana adidy amin’ny mpiandry ny ondrin’Andriamanitra koa Ramatoa Lalao Ravalomanana ka nanolotra bodofotsy niisa 50. Ny 44 dia ho an’ny vadin’ny mpitandrina ao anatin’ny synodam-paritany Vonizongo Vavolombelona. Ny ambiny kosa hatolotra izay vehivavy osa indrindra 6 ahian’ny fitandremana Ambohimarina Fahazavana. Ankoatra ny fanamafisany ny fahavononany hanarina ny rava dia nanentana ny rehetra tsy hitsahatra hivavaka Ramatoa Lalao Ravalomanana raha nandray fitenenana. «Mivavaha ka aza mitsahatra fa ny vavaka manova zavatra», hoy izy. Farany dia nanteriny ny firarian-tsoa avy aminy ho an’ny Reny Malagasy manerana ny tany noho izao andro natokana hahatsiarovana ireo kitapo nifonosana izao.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT