Politique

Lalao Ravalomanana Nanamafy fa ho avy rahampitso


  • Zoma 03 Febroary 2012

«Andeha hody ho any aminareo aho. Izay afaka mitsena dia ankasitrahana, izay tsy afaka kosa tsy omena tsiny. Faly ny tenako ho tonga soa an-tanindrazana. Hihaona tsy ho ela isika”, hoy Rtoa Lalao Ravalomanana raha nitafa tamin’ireo mpanara-dia ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, omaly.

 Sambany no niresaka mivantana tamin’ireo mpandala ny ara-dalàna i Lalao Ravalomanana. Araka izany, raha tsy misy ny fiovana na sakana amin’ny minitra farany dia tokony higadona an-tanindrazana rahampitso sabotsy ny vadin’ny filoha Marc Ravalomanana. Raha ny fantatra dia afaka mody an-kalalahana eto an-tanindrazana i Lalao Ravalomanana satria tsy nisy fanenjehana azy ara-pitsarana teto, ary ny FAT tamin’ny alalan’ny mpanolotsainy manokana, Ratsirahonana Norbert Lala, dia efa nilaza fa tsy hamoaka NOTAM mahakasika olona intsony. Izay fiovan-kevitra amin’ny ora farany, toy izay nitranga tamin’ny 21 janoary 2012 teo no ho asa fa dia samy miandry izay hitranga rahampitso sabotsy ny rehetra.

Ny etsy amin’ny Magro moa dia efa miomana tanteraka amin’ny fitsenana makotroka nefa am-pilaminana, araka ny toromarika nomen’ny filoha Ravalomanana. “Milamina tsara isika ary mbola hoporofointsika amin’izao tontolo izao fa vahoaka hendry sy milamina ny Malagasy”, hoy i Marc Ravalomanana raha niditra an-tariby mivantana ihany koa. Efa hitan’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fivoriana tany Addis Abeba rahateo, hoy izy, ireny fahamendrehana nasehonareo tamin’ny 21 janoary ireny ary dia niaiky izany ny rehetra. Raha ny tsiliantsofina dia ho fanomanana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana izao fodian’i Lalao Ravalomanana izao, eo koa anefa ny fijerena sy fanaraha-maso akaiky ny fanarenana ny vondron’orinasa Tiko izay potika tanteraka tamin’ireny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ireny. Raha tsiahivina, hatramin’ny naha mpitondra fanjakana ambony an’i Marc Ravalomanana dia ny vadiny sy ireo zanany no nisahana ny fitantanana ny vondron’orinasa Tiko.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT