Tonga tokoa ! Tafaverina an-tanindrazana omaly talata tamin’ny dimy ora maraina Rtoa Lalao Ravalomanana, rehefa sesitany politika niaraka tamin’ny ankohonany nandritra ny efa-taona tany Afrika Atsimo.
Maro no mbola nisalasala sy tsy nino fa tonga eto Madagasikara tokoa ity vadin’ny filoha teo aloha ity raha efa tsy nahita ny sariny tamin’ny fahitalavitra ny hariva. Fiaramanidina manokan’ny kaompania tsy miankina “GS Aviation” nalefan’ny fitondrana FAT no naka azy tany Afrika Atsimo. Tonga niaraka taminy ny vinantolahiny, Thierry Radavidra, vadin’i Sarah Ravalomanana. Teo koa ny minisitry ny varotra, Olga Ramalason sy Me Hanitra Razafimanantsoa, ireto farany izay nisolotena ny ankolafy Ravalomanana niaraka tamin’ilay fiaramanidina niala avy aty Madagasikara naka azy tany Afrika Atsimo. Tsy nisy afa-tsy ny fianakaviany tokoa, notarihin’ny zanany lahiavo Tojo Ravalomanana no nitsena azy teny am-pahatongavana Ivato. Nivantana avy hatrany tao amin’ny klinikan-dry masera, itsaboana an’i Bebe Razay, reniny niteraka azy Rtoa Lalao Ravalomanana taorian’izay. Fiara manokana “Ford Mondeo” miloko manga, efa pepopepo, nomen’ny fitondrana, no nitondrana azy nihazo an’Ankadifotsy Befelatanana narahina mpiambina manokana. Taorian’ny nitsidihany ka nahitany maso ny reniny vao nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety Rtoa Lalao Ravalomanana nisaorany ny rehetra nanao izay hahatongavany eto Madagasikara, sy nanankinany amin’Andriamanitra ny tohin’ny zavatra rehetra ho avy. Mbola tao anatin’ny fihetseham-po avokoa izany, satria nambarany fa sady tsy mbola afaka mijery no tsy mahatadidy azy ny reniny, ka ny hitsabo io reniny io aloha no himasoany. Ora vitsy taorian’izay no nihazo ny toeram-ponenany eny Faravohitra Rtoa Lalao Ravalomanana. Tonga nijery azy teny Atoa Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana. Ny tolakandro dia nifandimby noraisiny sy nihaona taminy ny ankolafy Ravalomanana izay niarahaba azy tonga soa an-tanindrazana, narahin’ny avy amin’ny Emmo-Reg izay nampahafantatra azy fa dia handray an-tanana ny fiambenana ny fonenany sy ny fiarovana azy amin’izay dia rehetra alehany, araka ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra.
Hivezivezy
Manome aina ny tolon’ny mpandala ny ara-dalàna ao amin’ny Magro Behoririka izao fahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana izao, izay inoan’izy ireo fa hanao randra-mitarika amin’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ihany koa. Namelona ny fanantenan’ny Malagasy maro manerana ny Nosy nahita tombontsoa nivantana na ankolaka tamin’ny Tiko, orinasa naorin’ny fianakaviana Ravalomanana koa ny filazan-dRtoa Lalao Ravalomanana omaly fa anisan’ny vaindohan-draharahany amin’izao fahatongavany eto izao ny hamerina hampihodina indray ny orinasa Tiko. Hijery ny zava-misy any amin’ireo toerana misy orinasa Tiko izy, araka ny nambarany. Midika io fa dia hivezivezy manerana an’i Madagasikara Rtoa Lalao Ravalomanana. Efa tonga an-tanindrazana rahateo izy. “Malagasy ray sy reny aho”, hoy izy. Na tsy nolazainy nivantana aza dia ny fijanonany eto sy ny fahalalahana mivezivezy no tiany hambara amin’io, amin’ny maha olom-pirenena mizaka zo feno ny tenany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.