Politique

Lalao Ravalomanana Misaotra ireo mpivarotra nanaiky ny fandaminana


  • Zoma 15 Janoary 2016

Fanamby napetraky ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy ary tsy maintsy tanterahana ny famerenana indray ny fahadiovana sy ny filaminana eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara.

 

Izay no anton’ny fanadiovana ireo tatatra sy lakan-drano, ary ny malaza moa amin’izao fotoana dia ny fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana. Tsara homarihana, hoy ny avy ao amin’ny kaominina fa tsy hoe esorina dia tsy ho hita popoka ireo mpivarotra amoron-dalana ireo fa atsofoka any anatin’ireo tsena 16 misy eto an-drenivohitra. Tsy maintsy atao manara-dalàna izany rehetra izany ka misy ny taratasy fenoina sy mbola hofenoin’ireo mpivarotra ireo hahafahana mahafantatra mazava ny tena isan’izy ireo marina mba hampirindra ny fitsinjarana ny toerana. Fantatra izao fa nanaiky ny hiditra ao anatin’ny tsena petite vitesse ihany koa ireo mpivarotra angady manamorona ny arabe eny Isotry, 65 ka hatramin’ny 80 eo ho eo ny isan’izy ireo araka ny fanazavana voaray avy amin’ny kaominina omaly.Taorian’ny teny Behoririka sy Analakely moa dia hitohy any amin’ny toerana hafa ihany koa ny fanadiovana, hetsika izay mahafaly ny ankamaroan’ny mponin’ny renivohitra satria sady madio no malalaka ny tanàna. Rtoa ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy moa dia misaotra ireo mpivarotra nanaiky ny fandaminana ary nanaiky hiditra anaty tsena sy hanaraka ny ara-dalàna satria efa fanombohan’ny famerenana ny hasin’Antananarivo sahady izany ary manaporofo fa vonona hifanome tanana hiasa miaraka ny rehetra.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT