Politique

Lalao Ravalomanana Miantso ny vehivavy handray andraikitra


  • Talata 07 Febroary 2012

Mbola tohina sy feno tanteraka ny fony manoloana ny zavatra natao azy satria efa teny amin’ny tohatry ny fiaramanidina no nosakanana, hoy i Marc Ravalomanana omaly, nanazava ny zavatra natao tamin’i Lalao Ravalomanana vadiny ny sabotsy lasa teo.

 Rtoa Olga Ramalason, minisitry ny varotra no nampitondrainy hafatra ho an’ny Malagasy rehetra. Tao anatin’izany no nilazan-dRtoa Lalao Ravalomanana fa fahadisoana lehibe ny tsy fanajana ny safidim-bahoaka. Ny volana Martsa 2009, hoy izy dia nisy ny fakana fahefana tamin-kery ary dia noterena hiala teto Madagasikara izy ireo. Tsy tokony hiverina intsony ireny satria midika ho tsy fanajana ny maha- Malagasy ary amin’izao dia manana fanantenana ny tenany fa afaka mifamela ary afaka hamerina ny maha antsika antsika. Nambarany ihany koa fa tsy hankinina amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola fotsiny ny andraikitra fa ny Malagasy no tena tomponandraikitra voalohany amin’ny hoaviny sy ny fireneny.

Ankoatra izay dia nambaran-dRtoa Ravalomanana fa mila hampiharina ny famelan-keloka, ny fitsarana tsy hidiran’ny politika, hatsahatra ihany koa ny fanaovan’ny miaramila politika ary tsy hitsahina ny lalàmpanorenana. Tetezamita notendren’ny mpanao politika sy ny diplomaty no misy antsika amin’izao fotoana izao, hoy ihany izy. Tompon’andraikitra amin’izay ataony ny mpanao politika fa ny Malagasy koa tsy maintsy mametraka izay tiany hitondrany ny hoaviny sy ny fireneny ka ny vehivavy no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Tokony ho modely mandrakariva ny vehivavy na ao an-tokantrano na eo anivon’ny firenena satria izy no ivon’ny fahasalaman’ny firenena sy ny fianakaviana. Niantso ireo vehivavy Malagasy moa i Lalao Ravalomanana mba handray andraikitra, tsy hiandry ny lehilahy satria manana anjara adidy lehibe eo anatrehan’ny firenena.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT