Politique

Lalao Ravalomanana Mampanantena fiainam-baovao


  • Sabotsy 20 Jolay 2013

Nanao asa soa, fitiliana ara-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana ary didim-poitra faobe tao amin’ny lapan’ny tanànan’Arivonimamo ny Vondrom-bavaka Manohana an’i Neny Lalao Ravalomanana (VMNR) ny zoma 19 jolay 2013.

Tonga nankahery sy nanotrona azy ireo teny Ramatoa Lalao Ravalomanana sy delegasiona niaraka taminy nahitana ny filoha lefitry ny CST Razafimanantsoa Hanitra, ny CST Rodin Rakotomanjato. Nitafa nivantana tamin’ny mponin’Arivonimamo tao amin’ny Tranompokonolona i Neny taorian’izay. Tonga eto ny tenako, hoy i Lalao Ravalomanana satria ny reny tsy mahafohy zanaka ka dia tonga mijery anareo akaiky aho androany (omaly). I Neny, hoy izy, dia olon’ny finoana ka vonona ve ny vahoakan’Arivonimamo hamela heloka, hiaraka hiasa ? I Neny, hoy izy, dia vonona hitsinjo ny tokantrano tsirairay avy, indrindra fa isika vehivavy mba samy hampiditra an-tsekoly daholo ny ankizy.

Hataontsika ny “cantine scolaire” mba hananana vatana sy saina mavitrika. Izany anefa, hoy i Neny, dia mila antsika rehetra mifanome tanana araka ny hoe : “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Amin’ity koa isika dia hijery ny fandrosoan’ny tokantrano tsirairay avy, tsy ara-nofo ihany fa indrindra ny ara-panahy. Ataontsika laharam-pahamehana ny fanabezana ny olona ho tia ny namany, ka ho avy i Neny hampianatra antsika izay hatao. Andrimanitra no mialoha lalana ary i Jehovah no ataontsika ampinga. I Neny dia vonona hitarika antsika amin’ny fiainam-baovao, hoy izy.

Misaotra amin’ny fahavononana ary vonona isika hanorina fiainam-baovao mba hananan’ny vahoaka fiainana matahotra an’Andriamanitra, fiainana tia ny namany, hijery ny madinika. Mandalo aho androany, hoy i Lalao Ravalomanana ka ampitao amin’ny olona any an-trano : mifalia amin’ny fanantenana, matokia an’Andriamanitra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT