Politique

Lalao Ravalomanana Mamela heloka


  • Alakamisy 16 Mey 2013

Mitohy ny vavaka fitalahoana ho an’ny firenena, ho an’ny fiangonana ary ny marary karakarain’ny FJKM ka ny FJKM Ambatoroka Finoana indray no nampiantrano izany omaly.

 Mahitsy ny toriteny satria dia mivantana avy hatrany amin’ny mpivavaka. “Mivavaka ihany ny kristianina fa ny finoana no mety tsy ampy na tsy misy na mivadika mihitsy”, hoy ny mpitandrina. Ny mivadika eto toy ireo Apostoly nanasitrana ilay zazalahy fa tsy nahasitrana ka dia nanatona ny Tompo izy nony farany. Efa maro ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy, hoy ny mpitandrina fa ny fanolorana ny krizy amin’i Jesoa no matotra indrindra. Nanatrika io fotoam-bavaka io Ramatoa Lalao Ravalomanana sady vadin’ny filoha lefitry ny FJKM rahateo. Nisy ny hafatra natolony ny fiangonana. Sambatra ary mahery isika miaraka amin’i Jesoa, hoy izy, havaozy isan’andro ny finoana sy ny fanoloran-tena ary mamela heloka. “Fantatro fa mitondra am-bavaka anay fianakaviana ianareo ka misaotra anareo rehetra”, hoy izy. Toy ny hita amin’ireo toerana rehetra alehany dia vahoaka maro hatrany no miandry te hifandray tanana sy mankahery azy.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT