Politique

Lalao Ravalomanana Malalaka ny lalany


  • Alatsinainy 29 Aprily 2013

Nifarana omaly rehefa naharitra 20 andro ny fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho kandida filoham-pirenena hatao amin’ny 24 jolay 2013 teny amin’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES Ambohidahy.

 Nahatratra 49 ireo tonga nametraka dosie. Amin’ny 03 mey ny CES no hamoaka ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra. Amin’ny herinandro ambony kosa ny CENIT no hiroso amin’ny antsapaka handaharana ireo kandida ao anatin’ny bileta tokana. Eo ampiandrasana izay dia raharaha anisan’ny niteraka adihevitra ny feo mandeha fa mety tsy hoekena ny dosien-dRamatoa Lalao Ravalomanana satria tsy ampy enim-bolana, araka ny takian’ny lalàna ny nitoerany teto, ka tsy mahafeno fepetra izy. Ankoatra ireo antontan-taratasy tsy maintsy ilaina tahaka ny fanamarinam-ponenana, ny kopia nahaterahana, ny dika mitovy amin’ny kara-panondro sy ny fanambarana ny fandoavan-ketra nandritra ny telo taona, dia mbola nanampy antontan-taratasy hafa ao amin’ny dosie filatsahan-kofidiany Ramatoa Ravalomanana teraka Rakotonirainy Lalao Harivelo. Misy mpahay lalàna maromaro miara-miasa aminy, nanoratra taratasy manokana ho an’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES, ka namelabelatra ny tsy mampitombina ny mety ho fandavana ny filatsahan-kofidiany.

 

Tsy azo ialana

Misy tokoa mantsy ny fifanarahana iraisam-pirenena nekena sy nosoniavin’i Madagasikara tahaka ny «Convention de Vienne», eo koa ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo amin’ny maha olom-pirenena sy ny zo politika, nohamafisin’ny lalàna laharana 70-001 tamin’ny 23 jona 1970, izay manaiky ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo amin’ny maha olom-pirenena sy ny zo politika, hita ao amin’ny gazetim-panjakana laharana 713 nivoaka ny 27 jona 1970, pejy faha-1348. Voalaza ao fa : «afaka mivezivezy malalaka ao amin’ny fireneny, malalaka mifindra monina araka izay tiany ny olona iray… afaka mandao ny firenena rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny fireneny ny olona iray… Tsy azo atao ny manakana ny olona iray hiverina sy hiditra ao amin’ny fireneny».

Mpikambana feno ao amin’ny Firenena Mikambana i Madagasikara ary nanaiky sy nanasonia ireo fifanarahana iraisam-pirenena tahaka ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny zo ara-tsosialy, ara-toekarena, ara-politika ary ara-kolontsaina. Manamafy koa ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-12 fa ny olom-pirenena malagasy dia afaka miditra sy mivoaka an’i Madagasikara araka ny fameran’ny lalàna azy. Farany teo dia nisy ihany koa ny fanambarana ofisialy avy amin’ny fivoriambe faha-368-n’ny filankevitry ny fandriampahalemana sy ny filaminana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, tamin’ny 22 aprily 2013 izay raha fintinina dia manentana ny andrim-panjakana, ny mpitondra sy ny mpanao politika rehetra eto Madagasikara mba tsy hanisy sakantsakana, na tetika mety hanilihana ny filatsahan-kofidiana kandida iray, tokony ho hita taratra ny fametrahana ny fitoniana amin’ny fanapahan-kevitra raisina, ary tokony ho malalaka sy misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana mba haha demokratika sy mangarahara ary eken’ny maro azy. Tsara ny mampatsiahy fa efa nanome ny heviny momba ny fifandraisan’ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny lalàna misy eto an-toerana ny fitsarana tampony, tamin’ny alalan’ny didy laharana 231 nivoaka ny 5 septambra 2003. Milaza sy manamafy io didy io fa ambonin’ny lalàna eto Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena, nekena sy nosoniavin’ny firenena malagasy.

 

Tsy afa-misaraka

Momba ilay resaka fifanarahana amin’ny tsy hanaovan-dRamatoa Lalao Ravalomanana politika mba nahafahany niverina teto Madagasikara indray, dia manamarika ny ankolafy Ravalomanana fa araka ny voalazan’ny andininy faha-12 ao amin’ny lalàmpanorenana dia afaka mivoaka sy miditra ao amin’ny fireneny ny olom-pirenena iray, araka ny fepetra feran’ny lalàna, fa tsy fifanarahana tsy akory. Manampy izay dia tsy nosoniavin-dRamatoa Lalao Ravalomanana akory, izay voakasika voalohany amin’ilay resaka ity hoe fifanarahana ambara eto ity. Azo ambara fa mafonja ny ventin-kevitra nalefan’ny ankolafy Ravalomanana any amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana ho fanohanana ny maha mety sy ara-dalàna ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao Ravalomanana, mba ho fampiharana ny fifanarahana sy lalàna iraisam-pirenena sy ho fanajana ny lalàna misy eto Madagasikara sy ny tondrozotra, nosoniavina ny 17 septambra 2011. Tsy afa-misaraka ireo endri-dalàna telo ireo amin’ny fandinihana ny dosien’ireo kandida filoham-pirenena, araka ny nambaran’ireto mpahay lalàna ireto.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT