Politique

Lalao Ravalomanana : Lohalaharana n’aiza n’aiza i Neny


  • Zoma 10 Mey 2013

Ifanotofana ny fanaovana tsapa-kevitra na “sondage” amin’ny aterneto taorian’ny fahavitan’ny antsapaka namaritra ny filaharan'ny kandida ao anatin'ny biletan-datsa-bato tokana notontosaina ny alarobia 08 mey teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny CENI-T eny Alarobia.

 Amin’ny lafiny iray dia azo itafarana ny fironan’ny safidin’ny olona ny tsapa-kevitra, amin’ny lafiny faharoa koa anefa dia fomba ataon’ny sasany hisarihana ny olona hirona amina safidy efa voafaritra mialoha. Ankoatra ny any amin’ny facebook dia tranokala maro, eto an-toerana sy any ivelany no mampanao tsapa-kevitra. Ny zavatra iraisan’ireo anefa dia lohalaharana hatrany ny kandida Lalao Ravalomanana na amin’ny facebook izany na amin’ny tranokala. Raha ny vokatra omaly amin’ny facebook fotsiny ohatra, dia i Andry Rajoelina sy Ny Rado Rafalimanana no manarakaraka azy, saingy amin’ny elanelana hatrany amin’ny 50% be izao. Ho an’ny tranokala www.pixule.com indray ohatra, raha ny vokatra omaly ihany amin’ny mpifidy 213, dia manome 44,5% an’i Lalao Ravalomanana, 10,9% an’i Patrick Raharimanana, 5,2% an’i Ny Rado Rafalimanana, 4,7% an’i Saraha Rabeharisoa, 4,3% an’i Hajo Andrianainarivelo, 3,8% an’i Andry Rajoelina ary 2,4% an’i Didier Ratsiraka, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo satria dia tsy hita tabilao ny ankamaroany.

Sahiran-tsaina

Ankoatra izay dia sahiran-tsaina ny TGV taorian’iny antsapaka nandaharana ireo kandida ao anatin'ny biletan-datsa-bato tokana tamin’ny alarobia iny. Voatery niala an-daharana mantsy Razafindravahy Edgard Marie Nöe, kandidany sady Sekretera jeneralin’ny antoko. Sady tsy tonga no tsy nandefa solotena rahateo izy tamin’ny latsabato natao, ka ny filohan’ny vaditany no nanao ny antsapaka teo amin’ny toerany. Raha araka ny lalàna mantsy dia tsy azo ekena ny fisintahana rehefa nivoaka ny lisitr’ireo kandida ofisialy.

Misy hatrany anefa moa ny tsy ampoizina, toy ny mbola naneken’ny CES ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina na dia efa dilan’ny fe-potoana fandraisana dosie aza, koa asa izay hambaran’ny CES momba io, fa ny azo antoka dia tsy manana kandida izany izao ny TGV, i Andry Rajoelina rahateo kandida mahaleotena, amin’izay mbola lentika any amin’ny laharana faha-29 no misy azy ao amin’ilay bileta tokana. Fanina tanteraka koa ny TGV vao nivoaka tao anatin’ny antsapaka fa eo amin’ny laharana faharoa no misy an-dRtoa Lalao Ravalomanana. Hanahirana mantsy manomboka eto ny mbola hampiasa ilay rantsan-tanana manao “V” fampiasan’ny TGV hatramin’ny 2009 iny, ary vao mainka ho raharaha rehefa raikitra eo ny propagandy satria toy ny mampifidy an’i Neny ny fanaovana izany.

Jean D.

Filaharana

Ny ho filaharan’ireo kandida ao amin’ilay biletan-datsa-bato tokana : 1-Ravalison Clément Zafisolo, 2-Ravalomanana teraka Rakotonirainy Lalao Harivelo, 3-Dr Jules Etienne Rolland, 4-Rabearison Roland Dieudonné dit Vahömbey, 5-Ratsiraka Iarovana Roland, 6-Hajo Herivelona Andrianainarivelo, 7-Rakoto Fetison Andrianirina, 8-Rabemananantsoa Brigitte Ihantanirina, 9-Radavidson Andriamparany Benjamin, 10-Vital Albert Camille, 11-Rakoto Jean Pierre, 12-Dofo Mickael Bréchard, 13-Randriamampionona Joseph Martin, 14-Ratsiraka Didier Ignace, 15-Rajaonary Ratsimba Patrick, 16-Rabeharisoa Saraha épouse Georget, 17-Rasolosoa Dolin Rina Josephson, 18-Tinason Freddy, 19-Razafiarison Laza, 20-Monja Roindefo Zafitsimivalo, 21-Kolo Christophe Laurent Roger, 22-Tehindrazanarivelo Djacoba Alain, 23-Rajemison Rakotomaharo, 24-Rakotomalala Marcel Fleury, 25-Lahiniriko Jean, 26-Rasolovoahangy Roseline Emma, 27-Voninahitsy Jean Eugène, 28-Rajaonarivelo Pierrot Jocelyn, 29-Andry Nirina Rajoelina, 30-Ny Rado Rafalimanana, 31-Tabera Randriamanantsoa, 32- Ratrema William, 33-Dr Jean Louis Richard Robinson, 34-Razafindravahy Edgard Marie Nöe, 35-Raharimanana Venance Patrick, 36-Ratrimoarivony Guy, 37-Razafimanazato Julien, 38-Ratsimbalson Faharo, 39-Rabetsaroana Willy Sylvain, 40-Noelson William ary 41-Rabarison Lezava Fleury.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT