Mbola resabe mandraka ankehitriny ny nisakanan’ny fitondrana indray, tamin’ny alalan’ny taratasy navoakan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana, hody an-tanindrazana hitsabo an-dreniny izay marary efa ho telo herinandro izao.
Nahitsy ny tenin-dry CST Rasamimaka Mahefalahy sy ny CT Iandro Robertson manoloana izany fa lasibatry ny tsikombakomba politika ny vadin’ny filoha teo aloha. “Na ho inona holazain’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) dia misy tsikombakomban’izy ireo izao tsy famelana an-dRtoa Lalao Ravalomanana hody izao. Olon’ny MTS no mitantana ny ministeran’ny fitaterana izay misahana ny ACM ary tokony ho fakan-kevitra voalohany amin’ny famoahana NOTAM.
Tsy misy tsy mahalala ihany koa fa kandida ho filoham-pirenena ny filohan’ity antoko ity, ka mihevitra izy ireo fa hanelingelina ny firosoan’ny kandidany ny fahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana, na efa mazava aza fa hitsabo an-dreniny marary no antom-podiany”, hoy izy ireo. “Ny tantara no hitsara eto”, hoy hatrany ireto parlemantera ireto, izay nanamafy indray fa tsy hanana kandida izany mihitsy ny ankolafy Ravalomanana raha tsy tafaverina an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.