Politique

Lalao Ravalomanana Lakilen’ny fodian’i Dada an-tanindrazana


  • Talata 16 Aprily 2013

Hafa tsy toy ny andavanandro ny ambiansy tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alatsinainy. Tonga maro tao ny olona ary nafampana koa ny adihevitra

 Ny sabotsy teo moa dia efa fantatra fa hiditra an-telefaonina mivantana avy any Afrika Atsimo hitondra fanazavan-kevitra ny filoha Marc Ravalomanana koa tsy nahagaga raha feno ny kianja. Nifangaro tao anatin’izany koa anefa ireo mpitsikilo sy mpandoto rano mitady hanamaloka ny tolon’i Magro amin’izao efa fanangasangan’ny fandresena farany izao. “Rehefa tonga taty Afrika Atsimo ny delegasiona ka nifampiresaka izahay”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia “nifandresy lahatra ka ny fangatahan-dry zareo nilaza fa tsara raha i Neny Lalao Ravalomanana no hatolotra ho kandidàn’ny ankolafy. Tsy nanafina koa anefa, hoy izy, ny roa tamin’ny delegasiona dia i Mamy Rakotoarivelo sy i Botozaza Pierrot fa nanam-pikasana ny hanao kandidà ry zareo ary efa nivonona tamin’izany nefa dia nampangina ny hambom-pony tsirairay avy rehefa nanapa-kevitra hanolotra an’i Neny ary nilaza tamiko fa raha ekenao ny filatsahan’i Neny dia vonona hanome tanana azy izahay. Nasaiko nanontany an-telefaonina an-dRtoa vadiko ry zareo raha hanaiky izy fa izy no erany. Valinteny matotra sady hentitra no azo hoe : raha izay no sitrak’Andriamanitra ary hahatsara ny firenena dia ekeko raha harotsakareo aho”.

‘Ny nisafidianana an’i Neny dia hevitrareo vahoaka ary matoky anareo aho fa ho “1er tour dia vita”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana namantana ny teniny tamin’ny vahoaka tetsy amin’i Magro Behoririka omaly. “Ary izaho tsy hody raha tsy vita ny fifidianana raha izay no ampilamina ny toe-draharaha”, hoy izy. “Tsy fidiny amiko ny mijanona aty ary irery aho aty. Efa-taona izay ary ny SADC sy ny Troika nilaza fa tsy misy fepetra ny fodiko kanefa hatramin’izao dia mbola aty aho. Aza malahelo anefa fa tsy maintsy mody i Dada ary i Neny izay azoko antoka fa tsy hamadika ahy na oviana na oviana sy ianareo zanako no hampody ahy ary hitako fa mety izany, tena hahasoa ny firenena. Aza taitra ary matokia ahy ianareo”. Nambaran’ireo mpitaritolona teo am-pamaranana ny fihaonana tetsy Behoririka omaly fa mbola hohatevenin’ireo delegasiona avy any Afrika Atsimo anio talata izany fanazavana nomen’ny filoha Marc Ravalomanana izany. Ny maro an’isa tsy mivadi-belirano dia efa ela no nahatsapa ary mbola mitana ny finoany fa ny fankatoavana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fanapahan-kevitra avoakany ihany no hamerina ny ara-dalàna eto amin’ny firenena sy ny fampandrosoana marina an’i Madagasikara.

RHR sy Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT