Misy siosion-dresaka heno amin’izao fotoana izao fa kotrehina mafy hoesorina amin’ny toerany ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ka hosoloina Prezidan’ny Delegasionina manokana na PDS.
Resaka lonilony politika no mety ho ao ambadik’izany satria ireny efa niaraha-nahita ireny fa na nohenjehina fatratra aza ny ben’ny tanànan’Antananarivo izay avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara, dia mbola nanome tombondahiny ho an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana filoha fihodinana faharoa ny vahoakan’Antananarivo. Hokotrehina izay fomba rehetra hahafaha-manala azy raha mitombina tokoa io. Tsiahivina anefa fa lanim-bahoaka ho ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny isam-bato 55,87% izy, raha toa ka 31,47% kosa no azon’i Lalatiana Rakotondrazafy izay notohanan’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra ny taona 2015. Ho an’ny filankevitra monisipalin’ny tanàna dia manana ny maro an’isa mihoatra ny antsasamanila ny avy amin’ny antoko TIM satria 33 amin’ny 55. Miainga amin’ny filankevitra monisipaly ny fanapahana mampiato ny ben’ny tanàna, izay mety tsy ho tontosa izany raha jerena amin’io isa io, saingy rehefa tiana hovonoina ny alika dia lazaina fa romotra, hoy ilay fomba fiteny izay. Hita foana izay fomba hanesorana azy rehefa izay ny tanjona tian’ny fanjakana foibe atao. Manomboka mifehy ny fahefam-panjakana manontolo ny fanjakana Rajoelina, ary re fa tsy ho ela ny fanendrena ireo governoran’ny faritra ka raha ny feo mandeha dia i Edgard Razafindravahy no ho an’Analamanga. Andrasana ny mety ho fahamarinan’izay. Ampahatsiahivina fa ny 8 janoary teo, dia noresahina tao amin’ny Radio Fréquence Menabe (RFM) ao Morondava izay onjampeon’ny Depiote MAPAR Hawel Mamod’Ali fa hosoloina PDS izay Ben’ny tanàna tsy niara-dia tamin’izy ireo nampandany an’i Andry Rajoelina. Namoaka didim-pitondrana manohy ny fampiatoana ny ben’ny tanàna HVM voafidy tao Befandriana Avaratra Jonah Parfait Prezaraly ny praiminisitra Ntsay Christian. Maro ireo ben’ny tanàna tsy MAPAR mihorohoro. Asa aloha na tena ho tanteraka ity fanoloana ny ben’ny tanànan’Antananarivo ity na resaka fotsiny, fa ny ho avy no hamaritra izany. Ny nampanaiky an’i Marc Ravalomanana ny valim-pifidianana aza vita, mainka fa ny hitrongy an-dRtoa Lalao Ravalomanana tsy ho ben’ny tanàna izany no làlan-tsaina hoentina amin’ity fikotrehana fanoloana PDS ity, raha miseho tokoa. Andrasana izay hiseho !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.