Politique

Lalao Ravalomanana Ketraka sy malahelo


  • Alatsinainy 04 Martsa 2013

“4 taona izahay no tsy nihaona(...) Tsy hiresaka politika aho fa tsy aritro ny manjo ahy. Marary mafy ny reniko, tsy misy tsy mahalala izany fa sady tsy afaka miteny izy no tsy afaka mitsangana”, hoy Rtoa Lalao Ravalomanana ny sabotsy lasa teo raha niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tao amin’ny kianja Magro Behoririka.

 Nanazava ny zava-nanjo azy izy. Tamin’izany no nilazany fa tamin’ny talata lasa teo no nahazoany taratasy avy amin’ny praiminisitra, Beriziky Jean Omer, milaza ny fahazoany mody eto an-tanindrazana mitsidika ny reniny. Novidiana ny tapakilan’ny fiaramanidina ary dia nihazo ny seranam-piaramanidina atsy Afrika Atsimo ho aty an-tanindrazana Rtoa Lalao Ravalomanana ny zoma maraina.

Tany an-tseranana no nilaza ny kaompania Air Link, araka ny fanazavany ihany fa tsy afaka hitondra an-dRtoa Ravalomanana noho ny baiko avy amin’ny mpitondra Malagasy amin’ny alalan’ny Aviation Civile de Madagascar. Na dia nanao izay ho afany aza ny arofenitra avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny afrikanina tatsimo, nanazava ilay taratasy avy amin’ny lehiben’ny governemanta, hoy ihany Rtoa Ravalomanana dia tsy nanaiky mihitsy ny teo anivon’ny Air Link. “Ketraka sy malalelo aho. Aiza ny zo aman-kasin’ny Fihavanana sy ny maha-malagasy ?”, hoy ihany ny vadin’ny filoha teo aloha Ravalomanana. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra na afaka hody eto an-tanindrazany ihany ity teratany Malagasy ity na ahoana. Ny ho avy no hahitana izany.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT