Politique

Lalao Ravalomanana Kandidŕn’ny fampihavanam-pirenena


  • Talata 23 Aprily 2013


 Nohamafisina tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, fa kandidan’ny fampihavanam-pirenena i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Ny fisakanana ny filatsahan-kofidiany hoy i Nenifara dia midika fa tena tsy mbola vonona hihavana izany isika. Ny tsy hiverenan’ny krizy intsony anefa no tanjona, hoy ny CT Rarison Hilarion, nanamafy ny voalazany, ka raha tsy mipetraka tsara ny fihavanana dia hiverina indray izany krizy izany. Raha misava anefa ny ahiahy dia vonona hiatrika ny fifidianana ny zanak’i Dada. Ankoatra izay dia nahatsiaro ary nanome voninahitra ny filohan’ny CNOSC Lalao Randriamampionona nodimandry ny sabotsy lasa teo i Magro Behoririka omaly. Mafy loatra ny tsindry nahazo azy, hoy ny feo heno, ka amin’ny fandevenana amin’ny alarobia dia ho talanjona ny Iraisam-pirenena satria hijoro vavolombelona ny fianakaviana.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT