Misoko miadana ny fikotrehana ny fanalana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, ka hosoloina PDS.
Loharanom-baovao iray no nahalalana fa alohan’ny volana martsa 2018 farafahatarany ny hanatanterahana azy io. Tanjon’ny fanjakana HVM kosa ny hifehezana an’Antananarivo amin’ny fifidianana, izay mora kokoa raha olon’ny fitondrana no mitantana eo. Handeha ny teny midina any amin’ny fokontany 192. Ny prefe sy sefo distrika moa efa olon’izy ireo rahateo. Efa iaraha-mahita ny kapa ranjo isan-karazany ataon’ny fanjakana foibe amin’ny kaominina noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika. Ny tanànan’Antananarivo no atao fahirano mba hoenti-manaratsy sy manoso-potaka ny ben’ny tanàna ho tsy mahavita ny asany, ka mendrika ny hosoloina. Ny fiaraha-miasan’ny fanjakana foibe sy ny kaominina zara raha misy, ka tamin’ny fisian’ny pesta ihany no mba hita soritra kely. Ny vola anjara fanampiana ny kaominina efa voafaritry ny lalàna tsy misy resaka,… Semporina mihitsy ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy. Tsy mikely soroka amin’ny fitadiavam-bahaolana anefa, kanefa raha vao misy tetikasam-pampandrosoana mandeha, dia mijoro indray ny fisomparana sy ny sakantsakana. Anisan’izany ny fanamboarana sy ny fanajariana ny tsena eto an-drenivohitra ankehitriny. Mijoro ho fahavalon’ny kaominina indray ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany amin’ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fanamboarana ny tsena eny amin’ny Pavillon Analakely … Misy ambadika politika ny fandrisihana mpivarotra tsy hanaiky ny fanamboarana ny tsena eny Petite Vitesse. Volena ny korontana isan-tsokajiny, raha tsy hilaza afa tsy ny fandrisihana ny fiarakaretsaka sasany amin’ny alalan’ny FTAR tsy hanaraka ny lamina sy ny tetikasam-pampandrosoana ataon’ny kaominina, izay efa hita soritra ny fisian’ny politika maloto. Misy amin’ireo mpitondra fiarakaretsaka ao anatin’ny FTAR rahateo no efa namaky bantsilana fa tsy havela hipetraka ela eo amin’ny toerany intsony ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ny fanaratsian’ireo milaza azy ho mpanolotsain’ny tanàna tarihin-dry Lalatiana Ravololomanana ihany koa etsy an-daniny, saika isan’andro any anaty haino aman-jery, izay efa iaraha-mahita ihany ny tanjona sy ny ao ambadik’izay. Mazava fa hampiasaina daholo izay rehetra mety ho hevitra azo hamotehana sy handrodanana ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Tsy azo hadinoina fa lanim-bahoaka ny ben’ny tanàna ankehitriny, ka na ny kandidam-panjakana aza novereziny lavitra. Ry Lalatiana Ravololomanana, izay tsy sasatry ny manaratsy sy manambany moa dia 1% raha be indrindra no azony. Vitavita ho azy ve raha tanteraka izay kajy maloto izay ? Hitondra filaminana na hampahomby ny HVM amin’ny fifidianana tokoa ve ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.