Efatra andro taorian’ny nivoahan’ny fanambarana fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia efa manomboka sahady ny antsojay sy fampitahorana atao amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana.
Efa hatramin’ny alatsinainy no nisy feo niely fa hosamborina (hono) ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity ary halefa hiverina any Afrika Atsimo. Vao mainka nanamafy izany ny fiparitahan’ny SMS na soratra maro sosona amin’ny finday iniana aparitaka teto an-drenivohitra omaly narahin’ny serasera tamin’ny interneto. Tsy voalaza ny antony fa dia hoe : manamboninahitra ambony efa diso fantatry ny maro loatra no voatondro fa hanatanteraka izany. Vao omaly anefa no nanao fanambarana mipoapoaka ny mpitandro ny filaminana fa hanaja ny tsy fiandaniana. Ho hita eo ihany moa ny fivoaran’ny raharaha, fa any anatin’ireo serasera amina onjam-peo sy ireo fanehoan-kevitra amin’ny tranokala ihany koa dia tsikaritra fa misy andian’olona voakarama sy ampirisihina mihitsy manaratsy, manatsatso ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity.
Re ihany koa fa mikoropaka ireo tandapa, ary na ny kandida noheverina fa matanjaka aza, dia toa hoe nanova ny paikadiny mihitsy vantany vao nahafantatra fa i Neny no kandidan’ny ankolafy Ravalomanana. Midika avy hatrany izany rehetra izany fa kandida matanjaka ary atahoran’ny sasany i Lalao Ravalomanana. Tsy mbola miteny ary izy izao, dia efa may volon-tratra ny sasany, ka mety hisy ho tapaka lalan-dra mihitsy angamba rehefa tena raikitra amin’izay ny fampielezan-kevitra, satria raha ny siosion-dresaka re dia hanao izay mety amin’ny propagandy ny ankolafy Ravalomanana ary tsy maintsy hitety an’i Madagasikara. Hita ho tony sy matanja-tsaina tanteraka ihany koa Rtoa Lalao Ravalomanana manomana izany vanimpotoana izany. Tsy azo adinoina fa manana olona maro be ampy traikefa sy efa mahafantatra tsara an’i Madagasikara ity ankolafy ity, ary manana tambajotra matanjaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.