Politique

Lalao Ravalomanana Ho avy hanomana ny fodian’i Dada


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

Mahamenatra sady mampalahelo ny zavatra nitranga tamin’ny sabotsy 21 janoary 2012 teo, hoy i Marc Ravalomanana.

Daty tokony ho niverenany an-tanindrazana io kinanjo nosakanan’ny filohan’ny FAT tamin’ny fanomezan’ity farany baiko hamoahana NOTAM tamin’ny minitra farany, nanakatonana ireo seranam-piaramanidina dimy lehibe eto Madagasikara. Araka ny fantatra àry dia amin’ity anio ity no hanambaran’i Marc Ravalomanana ny fotoana hodian’ny vadiny dia i Lalao Ravalomanana. «Dada tsy maintsy ho avy fa manàna faharetana, i Neny kosa dia ho tonga tsy ho ela», hoy ny filoha Ravalomanana tamin’ny antso an-tariby nifampiresahany tamin’ireo mpomba azy, omaly. Mahafantatra ny manjo ny Reny Malagasy rehetra izy ka malahelo mafy, hoy ihany i Marc Ravalomanana ka izay no nahatapa-kevitra azy hody. Raha ny tsiliantsofina dia amin’ny sabotsy izao, raha tsy misy fiovana, no higadona eto an-tanindrazana Rtoa Lalao Ravalomanana.

Tsy sanatria mihantsy na mitady korontana izahay fa mandeha amin’ny fampihavanana, amin’ny fanahy sy saina hendry, hoy ny filoha Ravalomanana. Hitondra ny anjara biriky ho fanarenana sy fanasoavana ny firenena aho, hoy ity farany, izay niantso ny Malagasy rehetra mba tena hijery ny tombontsoam-pirenena ka mitaky asa sy finiavana politika. «Ilaina ny fiaraha-miasa sy fiaraha-midinika. Aoka samy handini-tena fa tsy misy izay tsy diso ary tsy hisy hipetraka mandrakizay eto», hoy ihany izy nanamafy. Niantso ireo mpikambana eo anivon’ny Parlemanta koa izy mba hijery izay hampandrosoana ny any amin’ny Faritra. Ny fambolena sy ny fiompiana no tokony hiaingan’ny fampandrosoana, hoy ihany ny mpanorina ny vondron’orinasa Tiko izay nanamafy hatrany fa tsy maintsy tafaverina eto Madagasikara ny tenany na inona sakana hatao na inona. Tafiditra amin’ny fanomanana ny fodiany rahateo ny fahatongavan’i Lalao Ravalomanana, mialoha azy.

Soa

Sary : Lalao Ravalomanana, nandefa hafatra ho an’ny Reny Malagasy ny 08 martsa 2010

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT