Politique

Lalao Ravalomanana “Hiasa miaraka amin'ny rehetra isika”


  • Alakamisy 05 Janoary 2017

Niarahaba ny Ben’ny tanŕnan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana nahatratra ny taona vaovao 2017 ny filan-kevitra monisipaly sy ny ao amin’ny kabinetran’ny Ben’ny tanŕna omaly

 

. Nirary fahombiazana feno ho azy sy ny ankohonany  ireo mpiara-miasa nandritra izany narahin’ny firarian-tsoa ho amin’ny fahasalamana. Nisy ny fanolorana fahatsiarovana ho an’ny Ben’ny tanana nandritra izany. Nambaran’ ny Filohan’ny Filan-kevitra  Monisipaly Andriambahoaka Faustin fa na teo aza ny olana izay nianjady tamin’ny Kaominina nandritra iny taona 2016 nivalona iny dia betsaka ihany koa fahombiazana  satria lasa nitombo hery izy ireo vokatry ny   fiaraha-miasa miaraka amin’ny AVCOI  ka tafiditra ao anatin’izany ny nifidihanana manokana ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ho Filohan’ izany Fikambanam-be izany. Betsaka  koa ireo firenena  avy any ivelany nifanaraka fa hiara-hiasa amin’ny kaominina hoy hatrany izy. Nankasitraka feno izany  ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izay nanambara fa miombom-po sy saina amin’ny rehetra no sady nisaotra an’Andriamanitra ihany koa .Nilaza ihany koa izy fa ity taona vaovao ity dia taonan’ ny asa ary hidina matetika eny anivon’ny Boriboritany enina ny tenany hijery akaiky ny zava-misy izay manahirana ny vahoaka ,indrindra ny tsena sy ny eny amin’ny faritra iva. Mila  miasa miaraka isika hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana  fa tsy misy mahavita tena irery amin’ny fanarenana .Nohamafisiny fa ilaina ny fiaraha-miasa  amin’ny Sendika,Filan-kevitra Monisipaly ,Solombavambahoaka sy ireo mpiara-miasa rehetra mba hiteraka vokatra . Rehefa misy ny olana dia tsy maintsy misy ny vahaolana hoy ihany izy nanohy ny teniny.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT