Politique

Lalao Ravalomanana Hanao politika amin’izay ?


  • Alatsinainy 18 Febroary 2013

Tsy mbola nisy olona nisangy ka nilaza fa marary ny reniny, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa izay nanamafy fa tsy misy tsy mahatsapa izany hamamian’ny reny sy ny hasarobidiny izany.

 Araka ny fanazavany dia antony roa no nahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana teto an-tanindrazana ny volana jolay 2012 teo dia hamangy ny reniny sy hijery hoe hatraiza ny fahitsim-po avy amin’i Andry Rajoelina taorian’ireny dinika tany Seychelles ireny. Nohamafisin’ny Me Hanitra fa tena marary tokoa i Bebe Razay (Razaiarivelo Helmine), renin-dRtoa Lalao Ravalomanana. Tamin’ny talata ity raiamandreny be ity no nampidirina hopitaly, ary omaly aza dia re fa nihombo be indray ny aretiny ary voatery nampidirina efitra fameloman’aina. Ny fihetseham-po rehetra na hafaliana na alahelo dia mampiakatra ny tosidrany avokoa. Nentina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ity raharaha ity, raha ny fanazavana ihany nifampidinihana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Tsy nisy nametraka olana ny rehetra, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa saingy nisy iray tamin’ireo tompon’andraikitra ireo nilaza fa tokony horesahina i Andry Rajoelina. Tsy resaka politika ny resaka eto fa ny lafiny maha olona, ny fahasalamana no jerena. Hatramin’izao anefa, na ny filohan’ny Kongresy na ny minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy noraisin’i Andry Rajoelina, ity farany izay nilaza fa sarotra ka mbola mila fandinihina lalina. Ireo mpanao politika manohana an’i Andry Rajoelina no toa miteny etsy sy eroa. Tsy mbola mety ny hahatongavan’ny vadin’ny filoha teo aloha eto fa sao miteraka korontana, hoy i Tsiebo Mahaleo tao amin’ny Radio France Internationale ny faran’ny herinandro teo. Mazava ny resaka eto fa tsy hanaiky ny hidiran-dRoa Lalao Ravalomanana eto ny ankolafy Rajoelina fa efa mahita savorovoro sy korontana sahady raha vao tonga eto izy. Ny ao amin’ny ankolafy Ravalomanana anefa dia nanazava tsara fa tsy misy idiran’ny politika mihitsy ny hahatongavan’i “Madama” eto fa tonga mba hijery sy hitsabo ny reniny. Izy rahateo tsy mpanao politika ary tsy kandida, ary tao anatin’izay efa-taona tsy naha teto an-tanindrazazana azy izay dia tsy mbola niresaka politika izany mihitsy.

Sangy mihoatra ny loha

“Tsy fantany izany vidin’ny reny na hamamian’ny reny izany. Tsy misy fitiavana novolena izany teto fa fifankahalana”, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa izay nanamarika fa ny aina tsy mifametra. Fotoana nahafahan’ny filohan’ny FAT nanonitra ny ratsy vitany ny fotoana toy izao, hoy ihany izy. Noho ny tahotra vehivavy vadina mpanao politika anefa dia izao no zava-misy. Tsy mbola nanao politika Rtoa Lalao Ravalomanana kanefa azo eritreretina kosa amin’izao ny tokony hanaovany politika satria efa heverina ho toy ny mpanao politika ihany ny tenany. Efa mihoatra ny loha no ataon’i Andry Rajoelina, hoy ihany ity mpisolovava, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity.

Zava-doza

Ankoatra izay dia anisan’ny notaterin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa koa ny momba ny fivorian’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina izay nitaky tamin’ny kaomisiona manokana ny tatitra momba ny fampiharana ny sori-dalana, indrindra fa ny andininy faha-20. “Mody eto ny filoha Marc Ravalomanana vao afaka mieritreritra fa ho afaka ny sazy”, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Diso koa ny fivoizana fa nogejaina ny pasipaoron’ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy satria porofon’izany dia vao tsy ela dia nihazo an’i Maputo (Mozambika) ny tenany. Tetsy andanin’izany dia nanentana ireo mpiara-dia aminy ny Me Hanitra Razafimanantsoa hisoratra anarana amin’ny fifidianana satria amin’izao dingana izao no hanombohan’ny hala-bato manara-penitra. Tsy hisy intsony koa ny famoanana “ordonnance” toy ny fanao hatramin’izay amin’io fotoana io ka mila miomana foana. Eto Madagasikara no hilazan’ny filoha Marc Ravalomanana ny amin’izay ho kandida. Efa niteny koa ny filoha, hoy ihany ny Me Hanitra Razafimanatsoa fa raha tsy tafody eto an-tanindrazana ny tenany dia tsy handray anjara amin’io fifidianana io ny ankolafy Ralomanana izay ho zava-doza ho an’ny firenena sy ny ho fivoahana amin’ny krizy raha ny fahitan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy.

Soa sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT