Miandry izay didy havoakan’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES) ny rehetra taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana omaly, nofaritany mba hametrahan’ireo kandida voatondron’ny lalŕna hametra-pialana amin’ny asany.
Kandida miisa 15 no voakasik’io fepetra io mivantana, nefa raha ny zava-misy hatry ny omaly dia nizarazara ireo kandida ireo. Nisy ny nametra-pialana an-kitsim-po toa an’i Faharo Ratsimbalson, Dr Brigitte Rasamoelina, Alain Tehindrazanarivelo, Sylvain Rabetsaroana, Roland Ratsiraka, Clément Ravalison, Hajo Andrianainarivelo, Edgard Razafindravahy ary ny Jeneraly Camille Vital, na dia efa tara ora iray mahery taorian’ny fe-potoana voatondro aza ity farany vao nigadona teny Ambohidahy. Tao ny nametra-pialana fa nametraka fepetra toa an’i Pierrot Rajaonarivelo. Nisy ny manizingizina fa sady kandida izy no mitana ny andraikitra maha minisitra azy dia i Tabera Randriamanantsoa. Ao ireo mihenahena tsy nandrenesam-peo toa an-dry Voninahitsy Jean Eugène sy Lahiniriko Jean, izay toa midika fa miankina amin’izay fihetsik’i Andry Rajoelina no hataony.
Nisy indray ny nisintona ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany, dia ny kandida Rasolosoa Dolin. Ny an’i Andry Rajoelina moa dia iraka, ramatoa mpikambana ao amin’ny AV7, no nalefany teny Ambohidahy, hoe : "mitady maika ny Greffier en chef”. Tsy nisy nipika ny diany tao, tsy nanome vaovao koa ny teo anivon’ny firaketan-draharahan’ny CES fa loharanom-baovao hafa no andrenesana fa taratasy fanamafisana izay nambaran’i Andry Rajoelina nandritra ilay fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery ny alin’ny zoma 24 mey no naterin’ilay ramatoa, dia ny hoe tokony hitovy ny kandida ka raha manaiky hiala izy raha miala ireo kandida rehetra teren’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tokony hiala an-daharana, ary koa mampahatsiahy ny ahiahy sy ny fangatahan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy sy ny tafika amin’ny tokony hanemorana iray volana ny fifidianana, ka dia mihemotra iray volana koa ny fametrahany fialana. Araka izany dia misafotofoto ny toe-draharaham-pirenena noho ny amin’i Andry Rajoelina. Efa nanakorontana ny nirotsahany hofidina tampoka indray na dia efa nilaza fa tsy handray anjara aza. Vao mainka nampisavoritaka ny nametrahany antontan-taratasy filatsahan-kofidiana efa ivelan’ny fe-potoana voafaritry ny lalàna. Izao dia mikatso ny fiainam-pirenena manoloana ny fidongiany. Sahirana ny daholobe, ny firenena mila ho fahirano noho ny nataony teto amin’ny firenena hatramin’ny 2009 nitarihany fanonganam-panjakana ka mandraka ankehitriny amin’ny “caprices”-ny.
Ady vakiana
Noho ny amin’i Andry Rajoelina io dia manery mafy ny sehatra iraisam-pirenena mba hisintahan’ireo kandida telo dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Dia inona ary no hambaran’ny CES ? Mandeha mantsy ny feo hatry ny omaly antoandro fa hoe : efa misy volavola didy fanapahana efa vonombonona any ambadimbadika any, hanilihana mangingina ireo kandida telo ireo, saingy ny tena kendrena dia ny hanilihana “par silence” an’i Lalao Ravalomanana ary manome fe-potoana ny ankolafy na antoko na fikambanana nandrotsaka azy ireo mba hanolotra anarana kandida hafa hasolo azy ireo.
Efa ady vakiana raha sanatria izay tokoa no hiseho, satria dia lalaovin’ny CES izany ny fiainam-pirenena. Ny CES izay nanamafy araka ny fanambarana nataony tamin’ny 13 mey 2013 fa “mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena mankato ny zo fototra ny didy navoakany (tamin’ny 3 mey 2013), ary mametraka ny vahoaka ho tompon’ny teny farany amin’ny fisafidianana ankalalahana tanteraka izay olona sitrany hitondra an’i Madagasikara. Ho an’ireo firenena anaty krizy, ka tena manana finiavana hivoaka amin’izany, dia ny fifidianana handraisan’ny daholobe anjara, tsy misy fanilikilihana, fa mifototra amin’ny ara-drariny, izay ihany no vahaolana”. Any amin’ny CES, araka izany, ny baolina. Tompon’andraikitra feno amin’izay fanapahan-kevitra raisiny eo izy ireo. Ny didy avoakany rahateo voalaza fa tsy azo ivalozana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.