Lalao Ravalomanana

> «Safidy hiantraika amin’ny fiainantsika ity»


  • Zoma 04 Oktobra 2013

Nihazo iny lalam-pirenena fahatelo iny ny dian’ny Dr Robinson Jean Louis, kandidŕ ho Filoham-pirenena natolotry ny Antoko AVANA, sy ny delegasiona miaraka amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana ao amin'ny Ankolafy Ravalomanana nitondra ny hafatrafatra amin'ny vahoaka Malagasy amin'izao fifidianana izao.

Hafatrafatra mandala ny firaisam-pirenena sy ny firaisankinan'ny mpiara-monina eto Madagasikara. Nanomboka tao Ankazondandy, Kaominina iray ao amin’ny Distrikan’i Manjakandriana ny fanentanana ary nipaka tany Anjozorobe, izay toerana fiavian’ny vady andefimandrin’ny kandida rahateo. Nampahafantarin’ny kandida Dr Robinson Jean Louis tamin’izany fa maro ny fandaharanasa hotanterahina any Anjozorobe ho tohin’ireo zava-bita maro nataon’ny filoha Marc Ravalomanana. Eo ny jiro, ny fanaovana lalana migodana na “autoroute” mampifandray an’ity Distrika ity amin’i Vavatenina. Nasiany resaka koa ny fandriampahalemana ka nilazany fa miara-maty amin’ny valala ny dahalo. Tampoka ny fahatongavana tao Anjozorobe satria dia iray andro no nanomanana azy, nefa dia tomefy olona ny kianja omaly. Tamin’izany no nanentanan’i Neny Lalao Ravalomanana ny Vahoaka hifidy amin’ny 25 oktobra. “Adidintsika ny mandeha mifidy”, hoy izy, ary “tadidio fa hiantraika amin’ny fiainantsika ny safidy ataontsika”. Nitafa nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby niainga avy any Afrika Atsimo koa ny filoha Marc Ravalomanana, izay nilaza fa “fanamby ity fifidianana ity”. Nampahatsiahy koa izy fa zanak’Anjozorobe ny Dr Robinson Jean Louis, ka “hifidy azy isika”. Hihazo an’Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony iny kandida anio.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT