Lalao Ravalomanana

> Mahazo vato maherin’ny 50%


  • Alarobia 28 Aogositra 2013

Mazava ny resaka : “1er tour dia vita” ! Fanontaniana maro no napetraky ny orinasa anglisy Bell Pottinger tamin’ireo olom-pirenena manerana ny Nosy miisa 1.000 mikasika ny zava-misy sy iainana eto Madagasikara.

Nandritra ny roa herinandro ny faharetan’ny fanadihadiana izay nanomboka ny alatsinainy 22 jolay hatramin’ny alatsinainy 05 aogositra 2013 lasa teo. Ny Williams & Associates of Massachussets avy any Etazonia moa no niandraikitra mivantana ny asa ary nanazava fa manodidina ny 3,16% ny taham-pahadisoana mety hisy tamin’ny fanadihadiana natao. Voarakitra ao anatin’io fanadihadiana io fa 91%-n’ny olona nanontaniana no mihevitra fa diso lalana ny firenena. 47% no milaza fa olana lehibe eto amin’ny firenena ankehitriny ny krizy politika. 72% no nanambara fa niha ratsy ny fiainana ara-toekarenan’izy ireo tao anatin’ny efa-taona farany. Miditra loatra amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ny 77% ary 81% no naneho ny fahavononany handatsa-bato amin’ireo fifidianana ho avy. Maherin’ny 50% kosa no vato ho azon’ny kandidà Lalao Ravalomanana manoloana ireo mason-tsivana naroso tamin’ireo nanontaniana. Mihevitra, araka izany, ny ankolafy Ravalomanana fa misy akony amin’ireo mpifidy mpanohana azy ireo ny fanapahan-kevitra farany navoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana iny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT