Politique

Lalao Ravalomanana An-dalana ny fanesorana azy…


  • Alarobia 20 Septambra 2017

Afaka nihetsika sy nitokona an-kalalahana ary nilahatra an-dalambe nitety an’Antananarivo Renivohitra ireo Taksi mivondrona eo anivon’ny FTAR izay tsy mankasitraka ny hanatanterahana ny “contre visite” eny amin’ny OMAVET.

Nahazo alalana avy amin’ny prefektioran’ny polisy, raha araka ny fantatra, izy ireo. Tsy nisy ny fanakantsakanana nataon’ny emmoreg fa dia afaka nibahan-dalana tsara tamin’izay fotoana nahamety azy ireo Taksi mpitokona notarihan-dRamatoa Clémence Raharinirina. Tao anatin’ny pejy facebook an’ny “Isika namana CUA serasera”  no nahitana fanapariaham-baovao avy eo fa misy ambadika politika iny hetsiky ny Taksi tsy mila Omavet omaly iny. Tanjona ny hanesorana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana amin’ny toerana maha Ben’ny tanàna azy ka hametrahana PDS eto an-drenivohitra, tahaka ny nisy nandritra ny fitondrana tetezamita. Efa maro ihany koa ny mpanara-baovao mahita io tetika io satria mazava be fa tena ratsy ny fifandraisan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra sy ny fitondrana foibe. Etsy an-kilan’izay, efa niha ratsy ny fifandraisana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina. Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha ny faran’ny herinandro teo dia efa nanao sarinteny ny amin’ny sokajiany fa mety tsy fandraisan’andraikitry ny Ben’ny tanàna ny filoham-pirenena. Ho avy rahateo ny fifidianana ary azo antoka fa efa manomana paikady hambaboana ny fon’ny mpifidy eto Antananarivo Renivohitra ny HVM satria ratsy ny isam-bato azony teto tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ny taona 2013 ka ny TIM sy ny MAPAR no nivoaka ho mpandresy. Tsy takona afenina fa manome lamosina tanteraka ny tanànan’Antananarivo ny fitondrana foibe. Tsy azo ny vola fanampiana feno tokony ho an’ny kaominina, voafetra ny zavatra azon’ny mpitantana atao. Raha vao misy ezaka fampiharana ny lalàna mba handrindrana ny fiainana eto an-drenivohitra dia misy fikambanana mipoitra tampoka tsy fanta-piaviana manadala saim-bahoaka sy manohitra ny fanapahan-kevitra. Fiara mandika lalàna efa any amin’ny “fourrière” Anosipatrana izao aza moa dia manampahefana miaraka amin’ny fitaovam-paidiana no manao latsak’alina mamoaka azy. Mazava ny resaka fa manelingelina ny fitondrana HVM ny Ben’ny tanàna TIM eto an-drenivohitra ary efa ataony an-kilabao. Raha misy ny hirika hahafahany manolo azy dia tanterahany tsy am-pisalasalana izany. Ny tiako I Madagasikara moa dia efa namerimberina fa tsy hanaiky holembenana amina paiakady maloto tahaka izany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT