Tsy mampiraika ny ankolafy Ravalomanana ny fanambarana navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena miantso ireo kandida telo dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka, mba hiala an-daharana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Hentitra ny fanazavan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa omaly nilaza fa tsy azo ampitahaina na oharina amin’ny kandida hafa mihitsy i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, noho izy tsy voatonontonona amina raharaham-pitsarana na fanonganam-panjakana. Hafa mihitsy ny kandidanay avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa ka tsy tokony hampidirina amin’ny resaka tsy mazava. Matoa mitranga izao fisafotofotoana izao dia nisy tsy nahatanteraka ny andraikiny tao, hoy ity filoha lefitry ny CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity.
Mihaino, mifampizara
Hatreto aloha dia tsy manana eritreritra mihitsy ny hitsoaka an-daharana ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana. Hatramin’izay dia efa mazava ny fomba fijerin’ity ankolafy ity fa nanaiky nandefitra ny filoha teo aloha noho ilay «ni…ni» ary nanaiky ny mbola hijanona any Afrika Atsimo koa, mandra-pahavita ny fifidianana. Nifanaraka ireo antoko mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana ary dia neken’ny rehetra, taorian’ny fifidianana fa i Lalao Ravalomanana no kandida, neken’ny CES ny filatsahan-kofidiany ary efa miomana amin’ny fampielezan-kevitra ny ankolafy sy ny mpiara-dia aminy rehetra ka tokana ny tanjona dia ny fandresena. Efa mazava tsara koa ny mety ho fihetsik’ity ankolafy ity, fa raha sanatria hailika ny kandida hatolony dia tsy handray anjara amin’ny fifidianana izy ireo, ary tsy hanaiky izay filoha mety ho voafidy eo satria fifidianana nisy fanilikilihana sy fanosihosena ny demokrasia no natao ary mety hiala amin’ny tetezamita mihitsy aza ny ankolafy Ravalomanana. Tsy izay anefa aloha no mitranga, fa dia manomana ny fiatrehany ny fifidianana ny zanak’i Dada sy ny kandida Lalao Ravalomanana. Midina ifotony mihaona amin’ireo mpomba azy ity farany. Ho eny Talatamaty izy anio atoandro. Miandry azy ao amin’ny Espace La Gaieté ny vahoakan’Ambohitradratrimo iny. Hiazo an’Atsimondrano indray ny tenany ny tolakandro, hihaino ny hetaheta sy hifampizara vaovao amin’ireo mpiaradia aminy izay hifamotoana ao amin’ny Espace Behenjy Itaosy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.