Politique

Lalŕnan’ny serasera Mety hampiongana ny fitondrana


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2016

Samy miandry izay ho valin-tenin’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana ny mety handavany na hanekeny ilay fehezan-dalŕna hifehy ny serasera izay efa nolanian’ny Antenimiera roa tonta ny rehetra.

Efa niteraka olana goavana ny fandaniana io lalàna io izay somary amboletra ihany. Nitarika ny fitokonana teo amin’ny mpanao gazety izany tamin’ny alalan’ilay diabe fandevenana an-drafahafahana ny 12 jolay 2016 sy ny fidinana tany Soamahamanina ny 20 jolay 2016. Ny valin-tenin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sisa no andrasana saingy mety hanova zavatra eto amin’ny firenena raha toa ka hanaraka ny dian’ny Antenimiera roa tonta ny ity andrimpanjakana ity. Raha tsiahivina ny tantara, resaka haino aman-jery no fitaovana voalohany nentin’ireo mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 nanongana ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny toerany. Mitady hiverina ny tantara ankehitriny fa ny mampiavaka ny zava-misy amin’izao sy ny tamin’ny 2009 dia ny sarambabembahoaka no voageja amin’ity lalàna ity raha toa ka fandikan-dalàna nataona haino aman-jery iray no natao fitaovana politika tamin’izany fotoana. Mety ho singa iray haningotra ny fanjakana ny fanaovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amboletra amin’ny fanenkena io lalàna io.

 Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT