Lany teny amin’ny antenimieram-pirenena omaly ny lalŕna momba ny fampihavanam-pirenena izay misy andininy 72.
Fanitsiana iray tamin’ny folo naroson’ny asam-baomiera ihany no noraisin’ireo solombavambahoaka ary na nafana aza ny adihevitra momba ilay andininy faha-47 momba ny famotsoran-keloka dia lany tsy nisy fanitsiana ihany izy io. Voalaza ao amin’io andininy faha-47 io fa mahazo famotsoran-keloka na “amnistie” avokoa ireo olona voakasiky ny hotakotaka politika nanomboka ny taona 2002 ka hatramin’ny 2009. Tsy mahazo kosa ny famonoan’olona sy fandripahana ary fanaovana vono moka, ny famonoan’olona noho ny ady, ny fanosihosena goavana ny zon’olombelona ary ny fanohintohinana ireo fahafahana fototra amin’ny maha olom-pirenena. Ilay endrika volavolan-dalàna naroson’ny governemanta ihany no nolanian’ny depiote niisa 77 io omaly io fa tsy nisy ny fanovana na fanitsiana goavana. Tsy nandinika sy namakafaka akory ny depiote fa tonga dia nifidy maimaika fotsiny, hoy i Christine Razanamahasoa avy amin’ny Mapar. Tsara kosa raha tena dinihana ifotony ny heloka tsirairay vao omena ny famotsoran-keloka, hoy ny depiote HVM Jaona elite. Mijanona ho 18 ihany ny mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy ary ny filoham-pirenena no manendry ny 1/3-n’ny mpikambana, izany hoe 6 amin’ny 18. Mbola handalo eny amin’ny HCC moa ity lalana ity mba ho dinihana raha manaja ny lalampanorenana na tsia, izay vao hanankery rehefa nosoniavin’ny filohan’ny repoblika ny taratasy fampiharana azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.